Fampianarana : hodinihina any Genève ny famatsiam-bola

Misolo tena an’i Mada­ga­sikara mandritra ny kaonferansa avolenta momba ny famatsiam-bola ny tahiry ho an’ny «tetikasa fampianarana tsy afa-miandry», ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena malagasy. Fihaonana izay hotanterahina any Genève, ny 16 sy ny 17 febroary 2023 izao. Ny volana septambra tamin’ny taon-dasa no efa nanao antso avo ny tahiry eran-tany ho an’ny fampianarana, izay eo ambany fiahian’ ny Firenena mikambana ny ha­nangonana vola 1,5 milliard dollars.
Ireo mpitondra eran-tany, indrindra ny firenena matanjaka no nentanina handrotsaka vola fanampiana hiatrehana ny vonjy taitra sy ny voina samihafa mety hiseho. Ity tahiry ity no entina hanampiana ireo zaza sy adolantsento 20 tapitrisa, izay ho voakasiky ny krizy ato anatin’ny efatra taona ho avy.

Anisan’ny firenena marefo i Madagasikara, ary andalovan’ny krizy marolafy toy ny ateraky ny loza voajanahary. Sesilany ny fahasimbana, ilana fanarenana mandavantaona ka mampandringa ny fampianarana eto amintsika.

Tatiana A

Partager sur: