Nanomboka omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny dingana faran’ny fifanintsanana “Afrobasket 2025”. Resin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, 106 no ho 73, ny ekipan’ny Ankoay Madagasikara.
Tsy mbola tao amin’ny Ankoay ny vintana, nandritra ny andro voalohany, dingana faran’ny fifanintsanan’ny “Afrobasket 2025”. I Kiady, i Sitraka, i Faralahy, i Johan ary Rija no niditra voalohany ho an’ny Malagasy. Mafy tamin’ny ekipa malagasy ny niatrika voalohany ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, omaly. Teny am-panombohana dia efa hita ny tsy fifanindanjana, na teo amin’ny vatana izany, na teo amin’ny taktika teny ambony kianja. Tsy mbola nisy firaisan-tsaina rahateo ny Malagasy mpilalao ka nifanalavitra tanteraka ny isa, teo amin’ny ampaham-potoana voalohany sy faharoa. Isa 57 no no 24 no nisarahan’ny roa tonta teo amin’ny fiafaran’ny fizaram-potoana voalohany, ka nitarika ny ekipan’i Côte d’Ivoire.
Nanenjika saingy resy tamin’ny traikefa
Hita taratra teo am-panombohan’ny ampaham-potoana fahatelo ny fahavononan’ny Malagasy hanarina ny lesoka ary nisy fiantraikany tamin’ny isa teny amin’ny solaitrabe izany. Nahavita nampiditra isa 10 tao anatin’ny minitra vitsy ry M’Madi sy ry Arnol. Tsy nanaiky lembenana anefa ny ekipan’i Côte d’Ivoire, tetsy ankilany, ary nisesisesy indray ny isa telon’i Costello sy ny namany. Na izany, nisy fivoarana be ny isa ho an’i Madagasikara ka isa 106 no ho 73 no nisarahan’ny roa tonta. Nambaran’ny mpanazatran’ny Ankoay, Ravonimbola Jeannot, fa mbola tsy tafiditra mihitsy ny Ankoay tamin’ny ampaham-potoana voalohany sy faharoa. Nanarina kosa anefa izy ireo tamin’ny ampaham-potoana fahatelo sy fahefatra. Vonona hanarina izany lesoka izany ny ekipa malagasy ho amin’ny andro faharoa sy fahatelo ary tsy maintsy haka fandresena. Tsy hamela ny mpifanandrina hahazo aina. Mbola hiatrika an’i Egypte, anio, ny ekipa malagasy ary mbola mila ny fanohanan’ny Malagasy, izay tena nanampy azy ireo hanana moraly ambony.
Mi.Raz