SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina rahampitso, eny Mahitsy, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja fiara, kodiaran-droa, Motocross Enduro. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny Moto (FMaM), natao « Endurance Cram » ny anaran’ny fifaninanana. Tsiahivina fa ity ny fanokafana ny taom-pilalaovana 2025 ho an’ny sokajy Enduro.

Hatao anio, eny amin’ny Akademia nasionalin’ ny fanatanjahantena ANS Ampefiloha, ny tohin’ny fampivondronana ny ekipam-pirenena, taranja tolona. Maro be ireo ankizy tonga miatrika ity fifantenana ity, saingy sivy amin’izy ireo ihany no hoentina miatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hotontosaina any Maroc, ny volana avrily ho avy io.

Hotontosaina amin’ity faran’ny herinandro ity ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “World Cola PFL”. Fifanandrinana azo heverina fa ho toy ny famaranana, ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Cosfa, hatao eny Iavoloha, ny alahady ho avy izao.

Manana olana eo amin’ny resaka vodilaharana havanana ny klioba Real Madrid, Espagne, araka ny hita nandritra ny lalao rehetra nataon’ireo madrilenina hatramin’izay. Azo lazaina fa vitan’i Valverde izany. Efa miverina moa i Lucas Vasquez, saingy mbola andrasana izay fanapahan-kevitr’i Ancelotti, mpanazatra ny Real Madrid.

Partager sur: