« Rallye 2025 » : Ilaina ny «licence compétiteur»

Mialoha ny hanombohan’ny taom-pilalaovana 2025 amin’ny hazakazaka fiarakodia «Rallye», tsy maintsy manana kara-pilalaovana ara-dalàna na «licence compétiteur» avokoa ireo mpanamory handray anjara amin’ny fifaninanam-pirenena. Fanome­zan-dalana avy amin’ny Fé­deration sport-automobile de Madagascar (FSAM), izany. Misy karazany io kara-pilalaovana io, ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara.
Eo ny kara-pilalaovana nasionaly, natokana ho an’ireo izay maniry ny hifaninana amin’ireo “rallye” atao eto an-toerana. Ny faharoa, ny kara-pilalaovana iraisam-pirenena, ho an’ireo mpanamory mpikambana eo anivon’ny Fede­rasiona malagasy ka mikasa ny handray anjara amin’ireo “rallye” ivelan’i Madagasikara.
Ankoatra izay, azo hifaninanana mandritra ny taom-pilalaovana ny “licence annuelle”. Ny “licence provisoire” kosa manan-kery ho an’ny “rallye” iray ihany. Tsy maintsy ankatoavin’ny klioba misy ny mpanamory ny fangatahana kara-piloalaovana. Tsy maintsy manao fizahana ara-pahasalamana amin’ny mpitsabo federaly ny mpanamory maniry hahazo “licence” ka jerena ao anatin’izany ny tosidra, ny fahitana, ny lanja sy ny halavana ary ny fihetsika. Zava-dehibe ny fanomezan-dalana avy amin’ny mpitsabo hahazoana io kara-pilalaovana io. Voakasik’ity “licence compétiteur” ity ihany koa ireo mpanamory mpanampy.

Tompondaka

Partager sur: