Mahajanga : Hatao ny lalana mankany Amborovy

Nanomboka ny talata 18 febroary teo ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena, RN54. Lalana mirefy 8 km miainga ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga hatrany amin’ny seranam- piaramanidina Amborovy. Asa natao voalohany ny fandrangotana ny arabe, mitohy any amin’ny fandravonana sy ny asa samihafa, miafara amin’ny fandrakofana godirao.
Ho vita mialoha ny tapaky ny volana marsa 2025 ny asa rehetra amin’ity ampahan-dalana RN54 ity. Miainga eo amin’ny Jirama Amboboka, mandalo ny fivarotan-tsolika Galana Tsaramandroso, ny tranobe « rihana 5 » hatrany amin’ny sampanan-dalana « Mazava Huile ».
Tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny fomba fiasa sy ny kalitaon’ny lalana, hanamorana ny fifamoivoizana mankany amin’ny seranam-piaramanidina Amborovy. Avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny lalana (Fonds routiers) ny vola hanaovana ny asa. Hitondra fampandrosoana any amin’ny faritra Boeny rahateo izao fanamboaran-dalana izao.
Tsiahivana fa tara ihany ny fanombohan’ity asa ity, izay tokony ho efa natao tamin’ny taona 2023.

Njaka A.

Partager sur: