Mampalahelo ny zava-misy iainan’ny mpankafy ny Taekwondo WT malagasy. Araka ny loharanom-baovao iray, omaly, haverina indray ny fifidianana federaly rehetra eto Madagasikara. Atao ny 1 marsa ho avy izao ny an’ny seksiona Antananarivo Renivohitra. Hisy kaomisionina “ Comité Ad hoc” hatsangana, hitantana sy handrindra izany indray eto an-toerana. Raha ny fanazavana azo tamin’ity mpampita vaovao ity, sazy avy amin’ny Federasiona iraisam-pirenena izy ity, ka voatery nofoanana ireo birao vaovao izay tantanan-dRakotomanana Franck Tiana, filohan’ny FMTKD. Olana tamin’io zava-misy io, ny tsy nanomezan’ny komity olympika malagasy (COM) ny taratasy “code” iraisam-pirenena”, hoy ity mpizara vaovao ity.
Mahagaga ihany ity zava-misy ity, efa lany ara-dalana tamin’ny fifidianana izay natao teny amin’ny biraon’ny COM etsy Ivandry, ny 16 avrily teo, Rakotomanana Franck Tiana. Tsiahivina fa ny 29 avrily 2024 lasa teo ity filoha voafidy ity, nahazo ny taratasy manamarina fa mijoro ara-dalana eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS) ny Federasion’ny Taekwondo.
Fitia Randria