Nambaran-dRakotoarimanana Henintsoa na Maire Tôta, filohan’ny ligin’Analamanga, ny alahady lasa teo, teny Iavoloha, fa hanomboka ny 28 febroary – 2 marsa ho avy izao, ny fifaninanana futsal, sokajy vehivavy sy lehilahy, eto an-drenivohitra. Araka ny fanazavana nataony, hisokatra ho an’ny rehetra ny fifanintsanana, ka eny amin’ny biraon’ny ligin’Analamanga no hanaovana ny fisoratana anarana ho an’ireo ekipa maniry handray anjara. Nomarihin’ity mpitantana ity, fa natao hanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can Futsal” vehivavy, any Maroc, ny 22- 30 avrily ho avy io, ity fifanintsanana ity. Marihina fa ity lalao eny anivon’ny ligy ity, dingana iray amin’ny telo, tafiditra amin’ny drafitrasan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ahafantarana ny mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena Barea Ladies.
Aorian’ity lalao ity, hisy ny fifaninanana nasionaly ka izay mpilalao voafantina eo, hiatrika ny fampivondronana avy hatrany rehefa vita ny fifaninanam-pirenena. Ampahafantarina ihany fa ao amin’ ny sokajy “C” no misy an’i Madagasikara, hifandona amin’i Sénégal sy i Tanzanie ry zareo.
F.R