Miezaka mitady vahaolana mahakasika ny baolina kitra eto Madagasikara ny minisitry ny Tanora sy
ny fanatanjahantena (MJS), Abdulah Marson Moustapha. Nisy ny fifampiresahany tamin’ny sekretera jeneralin’ny Caf, any Egypta.
Anisan’ireo taranja tena mahasarika ny tanora ny baolina kitra. Araka ny vaovao hita omaly, tao anaty pejin’ny Kaonfederasiona afrikanina (Caf), tonga nitsidika ny foiben’ny Caf any Egypta, ny faran’ny herinandro teo, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Abdulah Marson Moustapha. Nandray azy tany an-toerana ny sekretera jeneralin’ny Caf, Veron Mosengo Omba.
Nisy ny resadresaka nataon’ izy mirahalahy ireto ary nifantoka tanteraka tamin’ny fampandrosoana ny baolina kitra eto Madagasikara sy eto amin’ny kaontinanta afrikanina izany. Nodinihina koa ny fanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny mety hampiantranoin’i Madagasikara, ireo fifaninanana afrikanina toy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina atao amin’ny torapasika “Beach Soccer”.
Nankasitraka ny ezaka vitan’ny Malagasy amin’ny finiavana hampivoatra ny tanora amin’ ity taranja ity, i Veron Mosengo Omba. Tsiahivina fa tsy olom-baovao eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny minisitra Abdulah Marson Moustapha. Efa niasa teo anivon’ny Caf, tamin’ny andron’i Ahmad Ahmad, Malagasy filohan’ny Caf teo aloha, ny tenany.
Fitia Randria
Valin’ny kianja?
Afaka telo andro eo sisa, ho tonga ny volana marsa. Hatramin’ny omaly, tsy mbola fantatra ny valin’ny fankatoavana, raha nahazo izany na tsia kianja ny Barea Mahamasina. Ampahatsiahivina ihany fa amin’ny volana manaraka io, hifanintsana amin’ny fandraisana anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena “Mondial 2026”, indray ny ekipa nasionaly malagasy. Raha mahazo fankatoavana ny kianja Barea, hatao eo Mahamasina izany ny fihaonan’i Madagasikara sy i Ghana.