Karate: Mpiofana 15 haka ny diplaoma DAF

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny ANS (Académie nationale du sport) Ampefiloha, ny fiofanana ho mpampianatra, ho an’ny taranja karate. Fiofanana ha­hazoana ny mari-pahaizana DAF (Diplôme d’animateur fédéral). Mpiofana 15 manerana ny Nosy no miatrika izany, haharitra herinandro. Misy ny avy any Fort Dauphin, Fiana­rantsoa, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro ary Anala­manga. Hentitra ny federasiona ary nanamafy fa tsy afaka mampianatra karate intsony izay tsy manana ny mari-pahaizana mifanaraka amin’izany ary tsy ho ela ny fampiharana azy io. Izany, hoy ny filohan’ny federasiona, no antony nikarakarana izao fiofanana izao izay hiarahana miasa amin’ny MJS sy ny ANS. Nampahatsiahivin’ny fi­lohan’ny FKM ihany koa fa mizara 3 ny fiofanana ho an’ny mpampianatra ny taranja ka­raté. Dingana voalohany ity DAf ity, hitohy amin’ny fiofanana hahazoana ny DIF (Diplô­me d’instructeur féderal) izany ary mifarana amin’
ny fiofanana hahazoana ny “Brevet d’Etat”. Tokana ny tanjona dia ny hampivoarana sy hampiakarana ny lentan’ny mpikatroka eo amin’ny taranja karate malagasy.

Mi.Raz

Partager sur: