SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, ny andro fahefatry ny fiadiana ny ho tompondakan’i Ma­dagasikara, taranja baolina kitra, « World Cola PFL ». Nahazo vokatra tsara nanoloana ny ekipan’ny AS Ste Anne Avenir Anosy, ny Fosa Juniors Boeny, ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny Kianja CFFA Iavoloha. Lavon’ny Fosa tamin’ny isa, 2 no ho 0, ny Ste Anne.

Hotanterahina ny volana marsa ho avy izao ny fifaninanana “Smatchin” taranja basikety. Efa fantatra ireo mpifaninana ka sekoly 50 manerana ny Nosy no handray anjara, izay ahitana ekipa 48 ho an’ny sokajy ary ekipa 17 ho an’ny sokajy vehivavy.

Hotanterahina ny faran’ny herinandro izao, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja karate, ho an’ny sokajy ankizy sy vehivavy. Mpikatroka 400 no andrasana amin’io fotoana io.

Notanterahina ny zoma lasa teo ny antsapaka amin’ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra « Ligue des Champions 2025 ». Araka ny vokatra azo, anisan’ny fifanandrinana tena andrasan’ny maro, amin’io, ny fihaonan’ny Liverpool FC, klioba anglisy sy ny Paris Saint Germain (PSG), frantsay.

Partager sur: