Rugby à VII, lehilahy : Hidona i Madagasikara sy i Hong-Kong

Hanomboka anio, atsy Cape Town Afrika Atsimo, ny fiadiana ny “Challenger Series Cup 2025”, taranja rugby, la­laovina olona 7 ho an’ny sokajy Senior, lehilahy. Anisan’ireo firenena handray anjara amin’ izany ny Makis de Madagas­car. Efa nanainga omaly ireo mpilalao 12 mirahalahy hiatrika izany fifaninanana izany. Tsiahivina, miray vondrona amin’i Canada sy i Hong-Kong Chine ny Makis, amin’ity fifaninanana ity. Araka ny fandaharam-potoana, hidona voalohany amin’ny Makis de Mada­gas­car i Hong-Kong, aorian’io vao hikatroka amin’i Canada.
Tsiahivina fa mizara dingana roa ity fifaninanana ity ka ny voalohany hatao ny 1 sy 2 marsa ary ny faharoa ny 8 sy 9 marsa ho avy izao. Tafita amin’ny dingana manaraka ny ekipa 8 voalohany aorian’ireo dingana roa ireo ka miatrika ny ampahefa-dalana hatao any Cracovie Pologne, ny 11 sy 12 avrily ho avy izao.
Izay 4 voalohany tafita eo no manao ny “Play-off”, ny 3 sy 4 mai, any Los Angeles. Manao ny “circuits mondiaux 2025” kosa ireo roa voalohany manao famaranana.

Tompondaka

Ireo mpilalaon’ny Makis de Madagascar : 1-Yvon (Cosfa) ; 2-Nofy Tiana (Cosfa) ; 3- Mickael (Cosfa) ; 4-Fabrice (TFA) ; 5-Rado (TFA) ; 6-Jean-Marc (TFA) ; 7-Salotra (3FAI) ; 8-Tolotra (3FAI) ; 9-Laou (CRAI) ; 10-Mickael (SCB) ; 11-Romeo (FTM) ; 12-Jean-Yves (FTM). Razily (Mpanazatra)

Partager sur: