Tenisy Afrika – U14: Eo ho eo ny vokatra ho an’ny Akomba

Tanterahina any Kenya, nanomboka ny alatsinainy lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy, ho an’ny sokajy U14, lahy sy vavy. Anisan’ireo firenena mandray anjara amin’izany i Madagasikara. Eo ho eo ihany ny vokatra ho an’ny mpilalaon’ny Akomba de Madagascar. Teo amin’ny lalao ho an’olon-tokana, vehivavy, resy teo amin’ny dingana voalohany i Onintsoa Ramanampanoharana. Lavon’ilay kenianina, i Ashley Lila Wafula, tamin’ny seta 2 no ho 0 (4/6; 3/6) izy.
Tetsy ankilany, tafita amin’ny fihodinana faharoa Razafin­dra­zaka Ny Avo rehefa nanilika ilay teratany kenianina, i Na­thani Khalil, tamin’ny seta 2 no ho 0 ihany koa (6/1 ; 6/1). Toy ny nanaovan’Ny Avo fanazarantena fotsiny ity mpifanandrina taminy ity. Tsy nahazo afa-tsy lalao iray, tao anatin’ny seta 2 nifanandrinana. Ho an’ny lalao an’olon-droa, niondrika teo anatrehan’ireo borondey, Marei Ceila sy i Chantal Niyimba­bazi, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/4; 6/0), i Onintsoa sy i Matei. Manohy ny diany kosa i Ny Avo sy ilay namibianina, i Johan Théron, nanoloana ireo mpilalao avy any Ouganda, nahitana an’i Munchengeti Manzungu sy i Unathi Carl Sithole, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/1 ; 7/6 (4)).

Tompondaka

Partager sur: