“XXL Smatchin by Be connect” : Nitombo ny isan’ny mpandray anjara

Hotanterahina ny 8 hatramin’ny 16 marsa izao ny “XXL Smatchin by Be Connect”, andiany faha-11. Oniverite 50 hifaninana ary toerana 3 no handray izany.

Nitombo ny isan’ny mpandray anjara amin’ity andiany faha-11 ity, araka ny fanazavana nentin’ny mpikarakara. Oniversite 50 no hifaninana, raha toa ka 40 tamin’ny taon-dasa. Araka izany, toerana 3 no handray ny fifaninanana, hatao eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, Kianja mitafon’i Mahamasina ary eo amin’ny Kianja Barea. Man­dray anjara mavitrika ny avy any amin’ny faritra, izay ahitana sekoly 5 be izao, avy any Fianarantsoa, Mahajan­ga, Toamasina ary Toliara. 12 amin’ireo sekoly 50 ireo no mpandray anjara vaovao. Hampiavaka ny amin’ity taona ity koa ny fisian’ny “mascotte” manokana dia i Smacthy ary ny fisian’ny fifaninanana Slam ihany koa. Fifaninanana 5 no hitranga ankoatra ny lalao, ahitana ny Dance contest (mpandray anjara 16), ny DJ contest, ny E-Sport, ny Slam ary ny Dunk toy ny mahazatra.

Ekipa 48, lehilahy ary ekipa17, vehivavy

Amin’ireo sekoly 50 mandray anjara, 48 no isan’ny ekipa ho an’ny sokajy lehilahy, izay nozaraina vondrona 8, ahitana ekipa 6 avy. Ho an’ny sokajy vehivavy kosa, ekipa 17 no hifaninana, nozaraina vondrona 4. Manodidina ny 148 eo ny isan’ny lalao hitranga manomboka ny 8 marsa hatramin’ ny 16 marsa, araka ny fandaharan-dalao, ka izany indrindra no antony nanaovana ny toerana ho 3 samihafa. Ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina avokoa ny hizotra ny lalao ma­nomboka eo amin’ny ampahefa-dalana. Rehefa mitombo ny mpandray anjara, mitombo ihany koa ny mpanohana fa anisan’ny teo foana hatramin’izay ny orinasa Star, amin’ny alalan’ny vokatra XXL. Araka ny fandaharam-potoana, ny 8 hatramin’ny 13 marsa izao no hanaovana ny fifanintsanana isam-bondrona, ny 14 marsa ny ampahefa-dalana, ny 15 marsa ny manasa-dalana ary ny 16 marsa kosa ny famaranana. Amin’ny andron’ny fifaninanana mihitsy vao hisy ny fivarotana tapakila, raha ny fanazavana hatrany.

Mi.Raz

Partager sur: