Voahosotra ho tompondakan’ny Tama Beach, taranja volley, andiany faha-8, tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo, i Juliette sy i Miangola, ho an’ny sokajy U21, vehivavy. I Brad sy i Allan kosa teo amin’ny U21, lehilahy. Ho an’ny sokajy Seniors, nahazo fandresena i Marina sy i Julienne teo amin’ny vehivavy, ary i Marinot sy i Kevin kosa no nandresy teo amin’ny lehilahy.
Miditra amin’ny andro fahefatra, anio, ny fiofanana hahazoana ny mari-pahaizana “Diplôme d’animateur fédéral”, taranja Karate, izay hatao eny amin’ny ANS Ampefiloha. Mpiofana 15 izy ireo no manaraka izany hatramin’ny sabotsy izao ary hanatanteraka fanadinana ny alahady 2 marsa mialoha ny hahazoana ny diplaoma.
Hotanterahina ny faran’ny herinandro izao ny hetsika “Fitsangantsanganana milalao” , hatao eny amin’ny Espace A Miel Ambatolampy. Lalao basikety sy fifaninanana lomano no hotontosaina mandritra izany ary ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana. Hisy ny loka goavana ho an’ny mpandresy.
Hivoaka amin’ity herinandro ity ny taratasy fahazoan-dalana ho an’ny Federasiona malagasin’ny kung fu wushu, taorian’ny nahavitan’izy ireo ny fifidianana, ny faran’ny herinandro teo. Hiditra avy hatrany amin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa ny federasiona tarihin’ny Maître Gao, vantany vao azony izany taratasy fahazahoan-dalana avy amin’ny MJS izany.