Anisha Jo : Hisy seho fahatelo rahampitso

Mihira sy ampihirain’ny fitiavana i Anisha Jo. Mialoha ny hiverenany any Frantsa, hihaona indray amin’ireo mpankafy eto Madagasikara izy.

Tsy mahafoy! Tena azo fehezina anatin’izay, raha ny fihetseham-pon’i Anisha Jo. Noho izany, hanatontosa seho fahatelo izy, amin’izao fandalovany izao. Manome fotoana ireo mpankafy azy etsy amin’ny CCEsca Antanimena ity mpanakanto ity, ny alahady 2 marsa izao, amin’ny 3 ora tolakandro. “Taorian’ny fiarahana nahafinaritra teny amin’ny CCI Ivato sy tetsy amin’ny La City Ivandry. Nanapa-kevitra aho ny mbola hanitatra kely ny fotoana hijanonana eto, mba hisian’ny fihaonana manaraka, anaty fifampizarana sy feno fitiavana”, hoy ny fanazavan’i Anisha Jo.
Porofon’ny fitiavan’ity mpanakanto ity ny Malagasy sy i Madagasikara io. Efa hatramin’ny nanombohany ny mozika izany, izay nentiny sy notohizany tany ivelany. Tsy mba nanary ny teny malagasy izy, ary tsapa anatin’ireo sanganasany izany. Vao nivoaka farany amin’izao fandalovany izany, ohatra, ny “Tiako ianao”, izay efa heno amin’ireo fanjifana hira an-tambajotra. Mivelatra sy mivoatra manaraka ny rivotry ny mozika iraisam-pirenena koa anefa, ka manao hira amin’ny teny vahiny i Anisha Jo.
Hanotrona sy hanaraka hatrany an’i Anisha Jo ireo mpitendriny tamin’izao fandalovany izao. Eo amin’ny gitara i Fetrakely sy i Manitra Raba­risoa. Hifarimbona eo amin’ny vata maroafitsoka i Njaka Rakotonirainy sy i Fy Ny Aina Rajaofetra. Hiangaly ny gitara beso i Josia Kennedy ary eo amin’ny amponga maroanaka kosa i Miora Rabarisoa. Handravaka ireo hira amin’ny zavamaneno tendrena ry Quator Squad ary amin’ny zavamaneno tsofina kosa ry Miantsa sy Kaloina. i Andy, Iantefana ary Virginie kosa no mameno izany eo amin’ny feo lafika. Entina hilazana izany fa tsy navelan’i Anisha Jo ho latsaka ny lafiny artistika, ka niantsoany ireo sangany indrindra amin’izao fotoana. Ho fanampin’izany, nilaza ity mpanakanto mpandresin’ny “Star Academy 2022” ity fa mbola hisy vahiny hasainy an-tsehatra amin’io fotoana io…

Zo ny Aina

Partager sur: