TARATRY ny KANTO

« Feo roa, sehatra iray ». Rahampitso alahady, manomboka amin’ny 3 ora, eny amin’ny CCIvato ilay fiarahana an-tsehatr’i Denise sy i D-Lain. Hafa noho ny mahazatra, satria hatao amin’ny rindra miavaka daholo ireo hira nosafidian’izy ireo hampiaraham-peo. Efa ela ny famerenana, ka na ireo mpankafy aza efa dodona ny hahita ny vokatra ihany koa.
Anio ny ivon’ny “Festival Amoron’i Mani’Art” andiany faharoa, any Ambositra. Aorian’ny “carnaval”, hifandimby ny fifaninanana amin’ny karazan-kanto isan-karazany: slam, hip-hop, dancehall, sns. Manaraka izany ny “defile de mode”, anatin’ny lohahevitra ny kolontsaina an-tanàn-dehibe hatrany. Hifarana rahampitso kosa ny hetsika, ka amin’izay ihany koa no ho fantatra ireo mpandresy.
Mila haverina amin’ny tena anarany ny “mpanakanto”? Tsy ilay anarana voalaza ao anaty kara-panondrom-pirenena akory fa ilay anarana nalaina tamin’ny kanto ataony. Ny mihira, mpihira. Ny mpitendry zavamaneno, mpitendry zavamaneno. Ireo mpilalao tantara, antsoina hoe “mpilalao tantara”, sns. Mafonja kokoa ny fahombiazana na ny tsy fahombiazana raha tafapetraka tsara io. Tsy ho voahoso-potaka miaraka ny “mpanakanto”!
Efa mivoaka tsikelikely ny anaran’ireo tarika handray anjara amin’ny “Festival Antsika Jiaby” andiany faharoa. Hotontosaina ny 6 hatramin’ny 9 jona izy ity, any Paris, France. Efa fantatra fa ho avy any ry Wawa, Mily Clément, Tarika Rebika, Poopy, Bodo, TGC, Mashmanjaka, Da Hopp, Oladad, Lôla, sns. Mbola hiampy izany, ary handrasana fatratra ihany koa ny daty sy ny mpandray anjara amin’ny andiany voalohany aty Madagasikara.

Partager sur: