Ho valin’ny fanambarana nataon’ny OSC, nitondra fanazavana ny governemanta tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Asa vaventy. Nodisoin’izy ireo io fanambarana io, araka ny fanehoan-kevitra.
Namoaka fanambarana indray ny vondrona fiarahamonim-pirenena OSC, manohitra ny tetikasa Arabe migodana, Antananarivo-Toamasina, indrindra ny ampahany voalohany (Antananarivo-Anjozorobe), mirefy 80 km. Rehefa zohina, miendrika filam-baniny ny fanambaran’izy ireo, satria nisy foana ny fifampidinihana nataon’ny fanjakana tamin’ny sehatra rehetra voakasika, ary anisany ny OSC. Mihonona amin’ny fitsikerana izy ireo, fa tsy nanome vahaolana mazava sy azo tsapain-tanana, nefa ny mponina voakasika aza tsy nanohitra ity tetikasa ity mihitsy.
Nanazava foana ny governemanta tamin’ny alalan’ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, toy ny tao amin’ny televiziona TVM, ny 5 marsa teo. Nambarany fa, « diso tanteraka ny filazana fa potika ny fanamboarana ny arabe migodana. Voavaha ny ranobe teny amin’ny fiaingana PK 0 eny Tsarasaotra, satria efa noritina ny rano, vokatry ny orambe, farany teo ». Mahakasika ny tany mihotsaka, miara-miasa ny fanjakana sy ny mponina eny ifotony, toy ny Asa atakalo vola (Himo), omena tambin-karama 10 000 Ar isan’andro, isan’olona, miampy fanomezana vary, manala ny fasika nanototra ny tanimbary manodidina.
Narahina ny lalàna, nalaina ny hevitry ny vahoaka, ka ny septambra 2023 no azo ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana (PE). Ny oktobra 2024 vao nivoaka ny Drafi-pitantanana ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy (PGES).
Nofintinin’ny minisitra Rafidison Richard, fa “fanambin’ny filoham-pirenena ny tetikasa goavana toy ny arabe migodana, izay mila fahasahiana sy fanohanan’ny rehetra”.
Njaka A.