Ataon’ny orinasa Star vaindohan-draharaha ny fambolen-kazo, ao anatin’ny Fandraisana andraikitry ny orinasa ara-piarahamonina (RSE). Tanjona ny hiarovana ny tontolo iainana ahazoana vokatra maharitra. Maherin’ny 80 000 ny zana-kazo nomanina tamin’ny taona 2024, hiatrehana ny taom-pambolena 2025. Miisa 26 000 ny naparitaka manerana ny toeram-pamokaran’ny orinasa, ka 12 500 any Ambatolampy, 8 500 any Andranovelona, 3 100 any Antsirabe, 2 700 ho an’ny Malto Antsirabe. Teny Andranovelona no namboly hazo ny mpiasa eto Antananarivo, ny 22 febroary 2025 teo.
Ankoatra ireo, 8 000 ny zana-kazo nozaraina tamin’ny vondrom-bahoaka eny ifotony, ny mpiara-miombon’antoka ara-panjakana, ny mpamboly ary ny sekoly manodidina. Misy zana-kazo 20 000 itsinjovana ny filan’ny mpamboly ho an’ny taona 2025.
Entanina hamboly hazo koa ny mpiasa any amin’ny toerana misy azy, ankoatra ny fiarahan’ny mpiara-miasa. Nahatratra 6 000 ny zana-kazo voavoly, ho fandraisana andraikitra amin’ny maha olom-pirenena azy ireo.
Njaka A.




