VAOVAO TAMBATRA

Hanana tanjaka 5MW ilay tobim-pamokatra herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro hapetraka ao Mahajanga. Hapetraka ao amin’ny fokontany Manjarisoa ny fotodrafitrasa. Hamokatra herinaratra ho an’ny mponina amin’ny andro atoandro ny tetikasa. Efa mandeha ihany koa ny fanatanterahana ireo tetikasa hafa eto Antananarivo sy Toamasina.

Havaozina ny filankevi-pitantanan’ny orinasa Jirama. Hiara-kanatanteraka izany ny fiadidiana ny Repoblika, ny Primatiora, ny mpikambana eo anivon’ny governemanta ary ny Banky iraisam-pirenena. Harahi-maso ihany koa ireo milina manerana ny Nosy, hirosoana ny fampiasana angovo azo havaozina.

Atomboka amin’ity taona ity ka haharitra 10 taona ny fanamboarana ny seranan-tsambon’i Mahajanga. Tanjona ny hamaliana ny fifaninanana iraisam-paritra sy hamaliana ny filan’ny tsena an-dranomasina eo amin’ny lakandranon’i Mozambika. Marihina fa seranan-tsambo voalohany amin’ny fanjonoana makamba ny ao an-toerana.

Partager sur: