Olona efatra naratra vokatry ny fifandonana teo amin’ny fiara 4×4 sy taksiborosy iray, tao Ambohimahasoa, afakomaly…
Nitrangana lozam-piarakodia nandratra olona indray teny amin’ny RN7, tao Ialatsara fokontany Ampanidinana, kaominina sy distrikan’Ambohimahasoa, afakomaly hariva tamin’ny 6 ora. Fiara 4×4 iray marika Mitsubishi niainga avy aty Antananarivo hihazo an’i Fianarantsoa no nifandona tamin’ny taksiborosy iray an’ny kaoperativa Sonatra avy any Manakara hihazo aty an-drenivohitra. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny kaomandin’ny borigadin’ny zandarimaria Ambohimahasoa, vokatry ny tandrevaka teo amin’ny mpamilin’ilay fiara 4×4 no nahatonga ny loza. Nandeha mafy ilay mpamily, tsy nahafehy ny familiana ka nifatratra tao amin’ilay taksiborosy. Vokany, mafy ny fifandonana, olona efatra indray naratra. Nalefa notsaboina vonjimaika ireo naratra. Nandray ny andraikiny koa ny zandary tamin’ny famindrana ireo mpandeha tamin’ny taksiborosy hafa. Samy nahitana fahasimbana ireto fiara roa nifandona ireto. Mitohy ny famotorana ataon’ny zandary ao Ambohimahasoa. Na teo aza ity loza ity, tsy nisy kosa ny aina nafoy. Tsy vao izao fa ahitana lozam-piarakodia matetika iny RN7 iny. Ankoatra ny lalana ratsy, eo koa ny tandrevaka ataon’ireo mpamily sasany.
Jean Claude