Ady tsy vita

 

Mirongatra ny fanendahana, fanakanan-dalana, tsatok’antsy… Tsy fandriampahalemana. Fahantrana no antony? Na tsy fisian’asa, disadisam-piarahamonina malia sy mora tohina… Eo koa ny fahaverezan’ny soatoavina? Misy tsy manana inona hajaina na atahorana intsony. Tsy misy, ohatra, izay tahotra an’Andriamanitra, tahotra tsiny sy tody, ny tsy fiheverana sy fitsinjovana ny hafa… Efa tena lany henatra? Na tsy mahalala sy mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy, ny mahasoa sy ny mahafinaritra… Sahisahy ratsy ka manimba tena? Fositra sy fanetriben’ny fiarahamonina. Izy avokoa izany rehetra izany.
Vita sy voalamin’ny fampiharan-dalàna ve? Na fitsarana, fanasaziana… Misy antony fototra ao matoa tanora no sahisahy ratsy mandatsaka aina. Tsy ampy na tsy misy fanabeazana? Na ny firafitra sy ny fiainana ny soatoavina ny eo anivon’ny fiarahamonina no mibirioka, tsy amin’izay mahasoa amin’ny maha olona… Na zava-tsy inona aza izao, mety amoizana aina amin’ny tsy antony. Izay zava-tsy inona izay no mavesa-danja? Materialy, ny hita maso, ny anio ihany fa tsy ijerena lavitra… Te hitovy amin’ny hafa? Na tsy zaka ny mahita ny hafa mihoatra ny tena… Mbola izy avokoa izany rehetra izany.
Ahoana no fanarenana fa tsy vitan-dresaka? Raha ny voalazan’ny mpandinika iray izay, ny maika sy lehibe amin’ny fanorenana firenena dia ny fanabeazana; faharoa, ny fanabeazana; fahatelo, ny fanabeazana. Tsy misy fampandrosoana raha tsy misy fandriampahalemana. Tsy misy fandriampahalemana raha tsy misy fanabeazana? Amin’ny fanajana lalàna, fitsinjovana ny hafa, fitandroana ny aina, fiononana sy fifaliana amin’izay nisasaran’ny tena… Tsy voatery anaovana asa ratsy akory ny fahantrana. Ny fananan-karena koa tsy mahasakana amin’ny fanaovan-dratsy. Mby aiza ny maha olona? Ady tsy vita…

R. Nd.

Partager sur: