Natao sonia ny 10 marsa teo, tany Colmar Alsace-Frantsa, ny fiaraha-miasa eo amin’ny Alsace Destination Tourisme (ADT) sy ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM). Tanjona ny hampiroboroboana ny fizahantany maharitra sy tomponandraikitra. Nanatanteraka azy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny ONTM, Ranaivoarimanana Ionjaniaina, ny filohan’ny fikambanana Tourisme sans Frontières (TSF), Marc Dumoulin, ary ny tale jeneralin’ny ADT, Marc Levy.
Vokatry ny fifanarahana nataon’ny ONTM sy ny TSF taty Antananarivo izao fiaraha-miombon’antoka amin’ny ADT izao. Tanjona ny fampiroboroboana ny fizahantany maharitra, ny famantarana ny lanjan’ny fizahantany isam-paritra, ny fikarohana toerana azo tsidihina ara-pizahantany, ny fametrahana rafitra hifanakalozan’ny ONTM sy ny ADT any Alsace, ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina, sns. Misy ny paikady hanombanana ny zava-bita sy hanatsarana ny fiaraha-miasa.
Nilaza ny tale mpanatanteraky ny ONTM, Barivelo Danny, fa dingana lehibe ho an’ny fizahantany maharitra eto Madagasikara ity natao ity. Ao anatin’izany ny fifanakalozana traikefa, hampiroboroboana ny fizahantany tsara kalitao.
Kaominina iray any Alsace, any atsinanan’i Frantsa, i Colmar, ahitana mponina 70 000.
Njaka A.