Tsy mena mivadika ilay toetr’andro. Raha nigaingaina sy nahazo vahana ny hafanana, tampoka teo: nirotsaka ny orana manerana ny Renivohitr’i Madagasikara. Azo tsapain-tanana ny fiovaovana izay mitondra voka-dratsiny goavana ara-tsosialy sy toekarena. Niria-maha ory tokoa ilay izy. Raha vao manomboka miarina sy manorona indray ny fiainany ny tra-boina, efa tandindomin’ny voina hafa sahady indray koa.
Zary mampandry an-driran’antsy ny tampody fohin’ny rivodoza amin’izao fotoana izao. Raha nahazatra ny mahare fa levona an-dranomasina izany rehefa avy namakivaky ny an-tanety, mampihoron-koditra ny fandrenesana fa miha mahazo hery indray ilay izy. Taratry ny maha firenena marefo an’i Madagasikara izany, manoloana ny olan’ny toetr’andro sy ny faharavan’ny tontolo
iainana.
Firenena mila vonjy sy mitady fanohanana ara-bola sy teknika i Madagasikara. Efa mena ny fanairana amin’ny ankapobeny vao miresaka loza voajanahary. Ny voina ara-materialy efa tsy hita ho lazaina, andaniny. Ny takaitra ara-batana sy ara-moraly mahazo ny olombelona tsy vita moramora, ankilany. Mila vonjy ny firenena.
Olana iray mbola sedrain’ny firenena anefa amin’izao fotoana izao, mihidy ny famatsiana sy fanohanana avy any ivelany. Voakasika manokana sy mizaka ny tsieran’ny aina ny lafiny tontolo iainana. Ekena fa maro ny hetsika sy tetikasa mahazo tohana amin’ny resaka tontolo iainana, saingy hadinodino indraindray ny olana momba ny toetr’andro sy ny voka-dratsiny.
Mila tolo-tanana i Madagasikara, tsy afaka ny hiolonolona irery. Tsy azo vinavinaina sy kajikajiana rahateo ny loza. Manoloana izany, mila mitandrina sy manamafy ny fisorohana aloha no tena zava-dehibe. Tsy azo ianteherana rahateo ny avy any ivelany, izay tsy miaina sy tsy mahatsapa ny hamafin’ny toe-javamisy eto amin’ny tanàna.
r.r