Tsy mijery lavitra !

 

Tena mahakivy sy mahavarina ny mandinika ny fomba fisainan’ny Malagasy sasany, indrindra fa ireo izay nomem-pahefana indramina. Tsy tahotra tsy henatra fa mamotika sy manimba olona ankitsirano, mba hanomezana fahafahampo ny filan-dratsiny. Mihevitra tsy tratry ny aloka sy tsy manam-pahataperana izay zavatra hataony.
Trangam-piarahamonina maromaro no ahitana taratra izany eny anivon’ny fiarahamonina. Izay mba mahazo herikely ho enti-manindry dia manao ny ataony. Tsy takatry ny sain’izy ireny anefa ve fa miaina anaty manontolo lehibe izay: ny fitondram-panjakana. Misy fiantraikany ratsy any amin’ny lehibeny ny toetra mamoafady hataon’izy ireny.
Tsy gaga isika raha matetika ilay ery an-tampony avy hatrany no mahazo loza sy mahazo kiana, ary fanenjehana sy ozona. Miseho manjakazaka ry mpamosavy malemy sy ry tiatiakely. Manahirana ny miteny lava, manoloana ny hodidina iainana, ankehitriny. Ilay kapitenin’ny ekipa manao izay mety, mamono tena ho an’ny mpiray tanindrazana sy ho an’i Madagasikara fa ry volo mpanoha-randrana manangatra eny foana.
Mila olona madio saina sy madio fo ity tanindrazana malalatsika ity. Mitaky firaisankina misimisy kokoa. Tsy tokony hanao valalan-karona ka ny ao anatiny ihany no mandrava sy mamingana ny namana. Taon-trano tsy efan’ny irery ny fampandrosoana ny firenena ka tsy zara aza ve mba akanga maro tsy vakin’amboa?
Maro ny manao ranon’Ikopa anatin’ilay tontolo! Tsy te-hahalala afa-tsy ny ampototry ny orony. Tsy mijery lavitra manoloana ireo tsindry misy etsy sy eroa. Ny tena marina, sakaiza manodin’ilay fitondrana izy ireny. Misikotra tsikelikely, mandrodana ny fototra ijoroan’ny heveriny fa azy …mandrakizay. Tsy nisy ratsy loha afaka nirehareha fa mahavita azy eto amin’ny tanàna !

Randria

Partager sur: