Minisiteran’ny Fambolena: Ady amin’ny kolikoly any amin’ny faritra

Napetraka ny rafitra hiadiana amin’ny kolikoly eny anivon’ny Fitantanam-paritry ny fambolena sy ny fiompiana (Drae) faritra Atsinanana. Tonga tany Toamasina, ny 5 marsa teo, ny rantsamangaikan’ny Bianco ao amin’ny minisitera Minae (UAI­ LCC/ Minae), nihaona tamin’ny mpiasa any an-toerana. Nohazavaina ny paikady mifanaraka amin’ny Politka ankapoben’ny fanjakana (PGE) isaky ny sehatrasam-panjakana rehetra.
Tsiahivina fa efa novolavolaina tamin’ny taona 2023 ny Politika anatiny hiadiana amin’ny kolikoly (PILCC) ao amin’ny minisitera Minae, hampiharina mandritra ny 3 taona (2023-2025). Anisan’ny andraikitry ny UAILCC ny fanentanana sy fampianarana, ny fisorohana ary ny fanaraha-maso ny kolikoly. Voakasik’izany ny tsenambaro-panjakana, ny fandraisana mpiasam-panjakana, ny fizarana fitaovana sy kojakojam-pamokarana ary ny fampandehanana ny tetikasa eo anivon’ny minisitera. Raisin’izy ireo koa ny fitarainana avy any amin’ny sokajin’olona samihafa.
Hitohy ny amin’ny fitantanam-paritra hafa ity fanentanana sy fametrahana ny ady amin’ny kolikoly ity.

Njaka A.

Partager sur: