Tsy mila fanatsatsoana

 

Manahirana ny manao zavatra tsara ho an’ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Mampananosarotra ny fitondrana tetikasa ho fampandrosoana. Misy sokajin’olona diso mpihatsaravelatsihy tsotra izao. Milaza fa tia tanindrazana izy ireny amin’ny fanoherana ny fitondrana. Rehefa misy anefa ny manam-piniavana hanao dia mailaka ny vava amin’ny fanatsatsoana. Pingapinga amin’ny fanakiviana!
Asa inona no tanjona? Tsy vita akory anefa ny vitan-dry zareo, afa-tsy ny mipentsompentsona eny amin’ny tambajotran-tserasera. Raha zohiana akaiky, tsy misy tia tanindrazana sy mitsinjo ny taranaka malagasy ireo mpanankiana ireo. Manao halako bika tsy tiako tarehy ny mpitondra. Toa maika aza manao sorona ny hoavin’ny zanaka faramandimby.
Raha tolo-tanana ho amin’ny fanorenana sy fanarenana ho lovain-jafy no angatahina, manosi-bohontanana sy manivaiva ny ezaka no ataon’ireny olona ireny. Dia mipetraka ny fanontaniana amin’izay kinendry. Toa tsy manana fitaovam-piadiana hanoherana ve raha miasa sy tsy mikely soroka ny mpitondra?
Taotrano tsy efan’ny irery anie ny fampandrosoana ity Madagasikarantsika ity. Mila fiaraha-mientana sy firaisan-tsaina anaty fahadiovam-po. Raha toerana sy fahefana no hiazakazahana fa tsy ny fomba ahafahana manitsy izay heverina fa lesoka dia aleo ny eo ihany no ho eo. Tano ny azo fa sarotra ny mila, vazo mitovy ve ka hita rano tokoa.
Tsy mendrika resaka kajikajy maloto tamin’ny tombontsoa manokana ny Malagasy. Raha hanohitra ihany ka tsy mahavita, tsy aleo ve mifanome tanana? Raha tsy afaka ny hitondra ny anjara biriky indray, maninona raha mampirisika izay manam-piniavana. Tsy tokony ho kiviana ny te hanao. Tohano izy ireny satria izay kely vitan’ny isam-batan’olona no ilay erikerika maha tondra-drano. Tsy misy hahavita dingan-dava anatin’izao hodidina iainan’ny firenena ankehitriny izao.

r.r

Partager sur: