Sandam-bola: Mihen-danja ny Ariary

Tsy mitsaha-mitotongana ny lanjan’ny vola Ariary. Tafahoatra ny 5 000 Ar ny 1 euro ary tafahoatra ny 4 500 Ar ny 1 dolara eo amin’ ny tsenam-bola iraisam-pirenena.

Miaka-midina saingy misonga miakatra ny sandan’ny Ariary mitaha amin’ny euro. Nihoatra ny 5 000 Ar ny sandan’ny 1 euro nanomboka ny 5 marsa 2025 ho an’ny tsenam-bola vahiny Xe, araka ny antontanisa navoakany. Tao anatin’ny herintaona 2024, nahatratra 4 896 Ar ny 1 euro, nidina kely 4 646 Ar ny 16 avrily, tafakatra 5 131 Ar ny 24 aogositra. Teo no nihoatra ny 5 000 Ar voalohany, fa nidina ho 4 753 Ar indray ny 3 feboary 2025. Niakatra ho 5 024 Ar ny 5 mars teo, ary 5 066 Ar, omaly 17 marsa.
Tsy araka io miaka-midina sady misondrotra tsikelikely ny tarehimariky ny Banky Foiben’i Madagasikara, fa tsy nihoatra ny 5 000 Ar mihitsy hatramin’izao. Misanda 4 995 Ar ny 1 euro nandritra ny 2 andro, ny 11 sy 12 marsa 2025 teo, ary niakatra ho 4 996 Ar, omaly 17 marsa.

Mihazakazaka ny dolara

Ny vola dolara kosa no hita fa mihazakazaka ny fitomboan-danjany, sady miha manakaiky ny euro. Tato anatin’ny dimy taona, mbola 3 733 Ar ny 1 dolara ny 18 marsa 2020 teo amin’ny tsenam-bola vahiny Wise. Nihoatra ny 4 000 Ar, izany hoe, 4 003 Ar, ny 7 marsa 2022, roa taona aty aoriana, ary tratrany ny 5 000 Ar, izany hoe, 4 538 Ar ny 6 janoary 2023, 9 volana aty aoriana. Tsy nijanona teo fa tafakatra 4 600 Ar nanomboka ny janoary teo, ka 4 647 Ar ny sandany, omaly 17 marsa 2025, nefa 4 657 Ar ny navoakan’ny Banky Foiben’i Madagasikara.

339 Ar sisa ny elanelana

Raha ampitahaina ireo sandam-bola vahiny roa ireo miohatra amin’ny Ariary, manatona tsikelikely ny euro ny dolara tato anatin’ny herintaona. Manodidina ny 500 Ar ny salanisan’izy roa ireo ny taona 2024. Raha ny tarehimariky ny Banky foibe, omaly 17 marsa 2025, efa 339 Ar sisa ny elanelan’ny euro (4 996 Ar) mitaha amin’ny dolara (4 657 Ar).
Midika ireo, mihazakazaka ny fitomboan-danjan’ny dolara raha oharina amin’ny euro.

Mihena ny fanondranana

Anisan’ny singa miantraika any amin’ny toekarena malagasy ny lanjan’ny Ariary mihoatra amin’ny euro sy ny dolara. Santionany amin’izany ny fifandanjan’ny varotra ivelany.
Satria, ireo vola vahiny roa ireo no ampiasaina amin’ny fanafarana entana na tolotra avy any ivelany, andaniny, ary vola miditra eto an-toerana amin’ny fanondranana any ivelany. Araka ny antontanisa navoakan’ny Trading Economics, niova ny karazana entana naondran’i Madagasikara. Akanjo sy kojakoja manodidina azy no tena fanondrantsika hatramin’izay, fa niova ho harena an-kibon’ny tany sy vokatra ara-pambolena, ankehitriny. Anisan’izany ny grafita, ny kraomita, …, ny makamba, ny kafe ary ny siramamy, …. Firenena tena hanondranana ny any Sina, Frantsa, Indonezia, Etazonia. Nihena ho 887 484 tapitrisa Ar ny tetibidiny, ny jona 2024, raha 979 951 tapitrisa Ar izany ny mai 2024.
Ampiasana vola vahiny ny fanafarana entana avy any ivelany. Nitombo ho 17 335 134 tapitrisa Ar ny entana nafarana ny jona 2024 raha 1 588 009 tapitrisa Ar ny mai 2024. Vokatra tena afaran’i Madagasikara avy any ivelany ny solika (27%), ny akora fototra (20%) ary ny vokatra ara-tsakafo. Firenena tena hanafarana entana ny any Frantsa, Sina, Afrika Atsimo ary Singapour, raha ny antontanisa tamin’ny taona 2024.

Mihatra ny tena vidin-tsolika

Ankoatra ny fiovaovan’ny sandan’ny Ariary mihoatra amin’ny vola vahiny, zava-baovao mihatra nanomboka tamin’ity taona 2025 ity ny fampiharana ny tena vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Miova isam-bolana ny vidiny ka efa nampiharina intelo nanomboka ny janoary teo. Tafiditra ao anatin’ny fepetra iarahana amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) ny fampiharana ny tena vidin-tsolika, araka ny Fampindramam-bola nohatsaraina (Fec) sy ny Famatsiambola hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro (FRC).
Ao anatin’izany koa ny tsy hanampian’ny fanjakana ara-bola ny orinasam-panjakana, indrindra ny Jirama, sy ny tsy hanentsemana ny elanelam-bidy amin’ny vidin-tsolika. Fehiny, mirona tsikelikely any amin’ny fironan’ny fahalalahan’ny tsena iraisam-pirenena ny eto amintsika.
Tsiahivina fa tamin’ny taona 1995 ny fotoana nampiharana ny fitsingevan’ny vola malagasy, izany hoe, manaraka ny fiovaovan’ny tsenam-bola vahiny, araka ny fepetra napetraky ny FMI sy ny Banky iraisam-pirenena tamin’ny fotoan’ny praiminisitra Ravony Francisque, fony fitondrana Zafy Albert. Talohan’izany, sandany raikitra tsy miova no nataon’ny filoha Ratsiraka, ka ny fampihenan-danja (dévaluation) ny politika ara-bola nampihariny.

 

Partager sur: