Karate-Afrika: Nanomboka omaly ny fampivondronana

Nanomboka omaly, teny amin’ny Kianjan’Alarobia ny fampivondronana ireo atleta malagasy, hitiliana izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja karate, hatao any Nizeria, ny 22 hatramin’ny 27 jolay izao. 33 mianadahy, mpikatroka mendrika nandritra ny fifaninanam-pirenena farany teo, ireo miatrika fampivondronana ireo, araka ny fanazavan’ny filohan’ ny Federasionin’ny karate-do malagasy (FKM), Ratefina­nahary Emile. Araka izany, haharitra hatramin’ny fiandohan’ny volana jona izao ny kotrana sy fanazaran-tena ataon’ireto atleta ireto ary hizara 3 ny fandaharam-potoanan’izy ireo amn’izany. Intelo isan’andro no anaovana izay fanazaran-tena izay, ka amin’ny 5 ora sy sasany hatramin’ny 7 ora latsaka fahefany maraina, ny tapany voalohany (Kianjan’Alarobia), mitohy amin’ny 12 ora hatramin’ny 2 ora atoandro (Gymnase Ankoay). Ny hariva kosa amin’ny 5 ora sy sasany hatramin’ ny 7 ora sy sasany (Gymnase Ankoay).
Ho an’ireo any amin’ ny faritra, eny amin’ny renivohi-paritany izy ireo no mivondrona ary misy ny fiarahana amin’ny avy eto Antananarivo amin’ny ampahan’ny fampivondronana hatrehan’izy ireo, hahafahana mampitovy tantana ny lentan’ny mpikatroka tsirairay. Ny fiandohan’ny volana jona no hanaovana ny fitsapana ireo mpikatroka ka hamoahana ny lisitra faran’izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika hatao any Nizeria. Tsy manenjika isa ny federasionina fa izay miankina amin’ny teknika ny isan’ny mpikatroka malagasy, raha ny fanazavan’ny filohan’ny FKM. Maminavina ny handefa atleta 20 mianadahy kosa ny federasionina.
Eo amin’ny hoenti-manana kosa, miaraka mifarimbona ny FKM, ny MJS, ny mpanohana, ny ray aman-dreny ary ny ligy.

Mi.Raz

Partager sur: