Migadona indray ny andro malaza ho an’ny kitra malagasy. Hotanterahina any Casablanca, anio, ny lalao hifandonan’i Centrafrique sy ny Barea. Malahelo ny mpankafy amin’ny tsy fahafahana manatrika sy manohana ny ekipa. Iaraha-mahalala ny famaizana ataon’ny Kaonfederasionina afrikanina momba ny baolina kitra noho ny resaka kianja.
Tsy hatao resabe ny mahakasika ny fankatoavana na tsia ilay kianja, fa ny zava-dehibe aloha ny fahafahantsika milalao sy mbola miady ho an’ny voninahi-pirenena. Vokatr’izany, antso avo no hatao amin’ny Malagasy tsivakivolo, mba hivoy onja miabo ho an’ny mpilalao. Inona no manakana raha manandratra vavaka manokana ho amin’izany?
Zava-dehibe ny fiaraha-mirona anaty ady dia miara-mankafy ny vokatra tsara avy eo. Tsy ho sakaizan’ny mpandresy lava. Olana iray mampihitsoka ny fanatanjahantena ankapobeny eto Madagasikara ilay fanamavoana ny an’ny tena. Raha misy ny fahombiazana dia hosana hosana. Raha sendra ny taolana dia latsalatsa na siotsioka. Tena mpanimba moralin’ny mpilalao.
Ekena fa misy ny lesoka amin’ny tomponandraikitra isan’ambaratonga. Tsy azo lavina ny tsy fahaiza-manaon’ny sasany fa manana anjara toerana lehibe ny mpijery sy ny mpanohana. Ny tena loza: mbola tsy miakatra kianja akory ny ekipa dia onja miiba no aparitaka amin’ny vava tsy ambina. Ny mpilalao vao hiady no efa fafazana ompa ankolaka. Aiza no hisy maizina hamoaka mazava. Aiza no misy ratsy hitondra vokatsoa.
Misy fiovana toe-tsaina faobe takina amin’ny mpiantsehatra eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena eto Madagasikara. Na inona na inona ezaky ny mpilalao sy ny mpanazatra, rehefa tsy hanao koa ny mpanohana fa hanozona sy hivoy ilay hoe “resy lava ” dia tsy maintsy resy lava tokoa moa!
Mila onja miabo ilay tontolo!
r.r