Baolina kitra – « Mondial 2026 » : Hanala vela amin’ny Les Fauves Centrafrique ny Barea

Hifantoka any Maroc ny sain’ny mpitia fanatanjahantena, indrindra ny mpiondana baolina kitra, anio. Hotanterahina any an-toerana ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny «Mondial 2026». Hifampitana amin’izany ny Barea de Madagascar sy ny Les Fauves Centrafrique.

Hotanterahina anio, ma­nomboka amin’ny 7 ora alina, ao amin’ny Kianja Larbi Zaouli Maroc, ny lalao hifanandrinan’ny Barea de Ma­dagascar sy ny Les Fau­ves Centrafrique. Fihaonana tafiditra amin’ny andro fahadimy, hiadian-toerana amin’ny «Mondial 2026», ho an’ny sokajy I. Efa any an-toerana avokoa ireo mpilalao hiatrika izany.
Vonona ny Barea de Madagascar, izay hanala vela manoloana ny Fauves. Raha tsiahivina, indroa resin-dry zareo Centrafrique ny Barea, nandritra ny fifanintsanana ho an’ny «Can 2024». Niondrika tamin’ny isa 3 no ho 0, tetsy Mahamasina ary mbola resy 2 no ho 0, teo amin’ny lalao miverina, tany Bangui.
Nambaran’i Corentin Mar­tins, mpanazatran’ny Barea, fa “mpilalao manana ny fahaiza-manaony amin’ny famonoam-baolina ny Malagasy saingy tsy ampy fifantohana”. Nifantoka tamin’izay indrindra ny fanomanan-tena nataon’ny Barea, nanomboka ny alahady lasa teo. Nahitsy, araka izany koa, ny tsy hisian’ny baolina maty any amin’ny fiafaran’ny fotoana izay nanjo ny Barea tao anatin’ireo lalao efatra nataony.
Tsiahivina fa io no fihaonana voalohany iarahan’i Co­rentin Martins amin’ny Barea. Salama tsara avokoa ireo mpilalao rehetra ary ambony ny toe-tsaina entina hiatrika ny lalao amin’ity anio ity. Efa any an-toerana ihany koa ny ekipan’ny Les Fauves Centra­frique. Araka ny tati-baovao, mailo tanteraka ry zareo amin’ ity lalao hifanandrinany amin’ny Barea de Madagascar ity. Nanova mpanazatra ihany koa izy ireo ka ilay kameroney, i Rigobert Song, no mitondra azy ireo amin’ity lalao ity. Raha tsiahivina, mitana ny laharana fahatelo ny Barea de Madagascar, manana isa 7, raha fahadimy ny Les Fauves, amin’ny isa 4.

Tompondaka

Partager sur: