Judo-« Angola Championship » : Nahazo medaly alimo i Laura

Niatrika fifaninanana isan-tarika niarahana tamin’ny ekipan’i Angola, ny Malagasy mpanao Judo, Rasoanaivo Lauara, ny 14 hatramin’ny 16 marsa lasa teo, tany Huambo Angola. “Angola National Team Championship” no anaran’ity fifaninanana ity. Azo lazaina ho tsara ny vokatra ho azy sy ny ekipany satria tafiditra laharana fahatelo izy ireo ary nahazo ny medaly alimo. Ny “Elite Judo Club” ao Angola no nisoloan’i Laura tena niaraka tamin’ny mpikatroka angolais. Na tsy ekipa malagasy aza ity nilalaovany ity, nanome ny tsara indrindra avy aminy Rasoanaivo Laura. Naharesy foana izy tamin’ ny ady rehetra natrehiny ary anisan’ny singa iray nitondra fandresena ho an’ny ekipany izy.
Tsiahivina fa fifaninanana nivondronan’ny firenena afrikanina maro sy nahitana fandraisana anjaran’ny mpikatroka maro ity fifaninanana avo lenta ity. Firenena nandray anjara tamin’izany, i Angola mpampiantrano, ny Repoblika De­mokratika Congo, i Afrika Atsimo ary i Congo.
Nanamporofo ny maha kalaza azy eto Afrika indray i Laura, araka izany, tamin’ity fifaninanana afrikanina ity ary eo am-panomanana ireo fifaninanana hafa anatin’ny fiadiana ny tapakilan’ny lalao olympika 2028, hatao any Los Angeles ny tenany amin’izao. Mbola misy fifaninanana manodidina ny 5 eo miandry azy hahazoany izay tapakila izay.

Mi.Raz

Partager sur: