“Nandritra ny taona 2022, nahatratra 56 ny trangana fahamaizana teto Madagasikara ary ny 80% amin’ny fahavoazana dia vokatry ny tsy firaharahana avokoa ka tokony ho mailo ny rehetra.”, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Andriakaja Olivier Elack. Vao tamin’ity herinandro ity, nisy fahamaizana roa niseho tao amin’ ny faritra Analanjirofo. Ny fanampian’ ny fanjakana tapa-bolana raha ela ny faharetany satria vonjy aina fotsiny ka tokony hitandrina ny rehetra hisorohana ny afo. Tokantrano 4 282 no voakasiky ny fahamaizana nahitana olona 17 837. Valo ny olona namoy ny ainy vokatr’izany ka ny fito tao Ankoalabe (Antalaha) ary iray tany Toliara II. Sakafo 50t no nozaraina ho an’ny traboina nahitana vary sy voamaina sy fitaovan-dakozia samihafa.
Nanao hetsika tohana ho an’ny olona niharan’ny hanoanana koa ny BNGRC tamin’ny taon-dasa ho an’ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana. Tany Atsimo Atsinanana, 25 600 ny tokantrano nahazo tohana ara-tsakafo teny anivon’ny kaominina 144 anatin’ny distrika sivy. Ho an’ny Atsimo kosa, 12 650 ny tokantrano nisitraka sakafo anatin’ny kaominina 43.
Vonjy