Toe-tsaina

 

Raha mandinika ny zava-misy eto an-dRenivohitra amin’izao fotoana izao, tsy hita ny voambolana hilazana azy. Sanatrian’ny vava mandatsa amin’ny fahavoazana fa tena mahalasa saina ny tsy fahatsapan’ny sasany tena hoe misy andraikitra goavana mahavoa azy. Manome tsiny, andaniny. Miandry toloram-potsiny, ankilany. Tsy misy ny manaiky fa rangory fototry ny afo ihany koa anie fa tsy hoe lasibatra fotsiny ihany.
Fady ho an’ny olona amin’izao fotoana ny miaiky heloka na fahadisoana. Zary fialokalofana amin’ny tsy fanarahan-dalàna ny fahasahiranana. Mahafaly ny mifendrofendro mba hakana ny fon’ny hafa, amin’ny vahaolana vonjitavanandro. Mivadika ho resaka politika ny fandraisana fepetra, na ny filazana fa voarara izatsy na izaroa. Zary fialana bala amin’ny tsy fanarahana lamina ny fahantrana.
Mora kokoa ny manome tsiny no ho ny mahatsapa tena maka ny fepetra mifanaraka amin’ny tokony ho izy. Maro ny Malagasy sodokan’ny fanaovana politika tsisy etika avy amin’ny sasany. Mihazakazaka amin’ny fakana ny fon’ireo miandry mahazo sy tsy te hisahirana. Tena mahavariana fa dia misy ny mitangolalitra ara-bakiteny. Tsy mivaky loha amin’izay ho fihariana sy fibanjinana ny hoavy fa ny mana avy amin’ny mpanao politika misy eny foana.
Kolontsaina tena lo ary mila fanovana avy amin’ny tsirairay, tsy hiandrasana ny mpitondra, izany. Zaran’ny mpanao politika aza ny « oui mise ! » na « oui madama ! ». Tsy misy iraharahiany izay hohandrahoinao na tsia any. Ny azy ireny dia ny vory vahoaka, manao hosana hosana dia efa ampy. Tsy mivaky loha amin’ny ranobe maloto tafiditra any an-trano izany na ny mandry fotsy isan’andro izy ireny.
Angaha moa izy ireny tokoa no voretra manentsika lakandrano ? Na ny manorinorim-ponenana fahatany tsy manaraka ny lamina. Raha vao mba hanarina kely dia mandrahona fitokonana sy fandravana ny efa! Mila manova toe-tsaina ny vahoaka madinika fa tsy tomponandraikitra samirery akory ny fanjakana. Ny vahoaka no mahalala kokoa ny aretiny, mialoha ny hidiran’ny dokotera mpitsabo avy ety ivelany.
Mijanona ho mpanentana sy mpamonjy ranovaky ny mpanao politika sy ny manampahefana raha ilaina ny fidirany an-tsehatra.

r.r

Partager sur: