Depiote Randrianasolo Nicolas : “Tsy mety intsony ny hitsikera fitondrana”

“Efa fito na valo volana dia mametra-pialana ny filohan’ny Repoblika raha mbola hirotsa-kofidina izy”, hoy ny depioten’i Betroka, Randria­na­solo Jean Nicolas, momba ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Noho izany, tsy mety aminy intsony ny hitabataba na hitsikera fitondrana, fa fampahatsiahivana hatrany amin’ny zavatra tenenin’ny fitondram-panjakana no ataony. Maro ny hoe zavatra hamboarina any amin’ny distrikan’i Betroka, nefa tsy tanteraka.
“Ny politikako: tsy faly mitsikera befahatany amin’izao fotsiny aho”, hoy izy. Misy olana tao tamin’izany. Nanana varavarana nivoahana ny filohan’ny Repoblika amin’ny toe-draharaha nisy eto amin’ny tany sy ny firenena. Ohatra tamin’izany ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 sy ny haintany, fa tokony hatao laharam-pahamehana ny sosialim-bahoaka sy ny famatsiana sakafo an’ireo olona sahirana. Nefa tsy notanterahin’ny fitondram-panjakana izany. Inona no niafarany? Sady tsy nahazo sakafo ny 80%-n’ireo olona sahirana ao amin’ny distrikan’i Betroka no tsy vita ny fotodrafitrasa tokony ho azo.
“Ho hita eo ny manaraka, fa anjaran’ny vahoakan’i Betroka ny mitsara azy: mbola hankasitrahanareo ve raha mbola hirotsa-kofidina ny filohan’ny Repoblika amin’izao fotoana izao? Tsy anjarako ny mieritreritra an’izay, satria tsy ao anatin’ny fon’ny vahoakan’i Betroka ny tenako”, hoy ihany izy amin’ny maha solombavambahoaka voafidy tao Betroka fotsiny. Anjaran’ny vahoaka ao amin’ny distrikan’i Betroka ny hoe: ahoana no hitsarana ny olona izay nanome fanantenana?

R. Nd.

Partager sur: