Ady fahefana no mampifanenjan-dava ny mpanao politika? Mihevitra, ohatra, ny mpanohitra ary mampihevitra ny vahoaka fa raha tsy izy no eo: tsy misy inona mandeha sy ho vanona. Tsy inona izay fahefana izay fa fahavitana izay tokony hatao, tsy maintsy efaina, andrasan’ny vahoaka… Araka izay nampanantenaina ny vahoaka tamin’ny fampielezan-kevitra io. Tamberin’andraikitra! Na tambin’ny fahatokisana ka ampindraman’ny vahoaka fahefana ny mitondra. Mby aiza? Azo jerena sy refesina amin’ny fihatsaram-piainana eny ifotony izay. Eo, ohatra, ny fandriampahalemana, ny fahazakana vidim-piainana, ny fisiana asa mahavelona sy mendrika ny maha olona…
Tsy manana fahefana sady tsy mahavita inona amin’izany raha ny mpanohitra? Sanatria, ny hitomboana sy hahalalim-paka izay fahasahiranam-bahoaka izay aza no irian’ny sasany. Izay ilay hoe faly havana ory? Na ory hava-manana amin’izay ataon’ny mpitondra… Tsy atao mahagaga raha mahery vaika sy tsy misy farany ny fitsikeran’ny mpanohitra. Misy aza ny mahavatra mamorona ny tsy misy hanaratsiana ny mpitondra sy hanakiviana ny vahoaka. Na manakorontana fotsiny izao noho ny fahalianana sy fahamehana haka fahefam-panjakana… Izany izay misy sy iainana amin’izao? Ny vahoaka no sahirana sy voa ary mizaka ny tsy eran’ny aina noho ny adilahy politika efa ho lava.
Vaovao amin’ny vahoaka ifotony ve izany rehetra izany? Tsy mbola nisy fiainam-bahoaka nihatsara na vidim-piainana nihamora, ohatra, nandritra sy taorian’ny korontana politika. Saika vao mainka niharatsy sy nihamafy no ho ny teo aloha aza… Izay no mahatonga ny hoe mahefa na mahavita inona eo amin’ny fiainam-bahoaka ny mpanao politika? Indrindra ny eo amin’ny fanoherana… Tsy atao mahagaga izay lazainy sy ataony?
R. Nd.




