Jly Rakotonirina Richard : “Manana tamberin’andraikitra ny manamboninahitra”

Nanana ny nambarany ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotonirina Richard, tamin’ny fanamarihana ny Andron’ny manamboninahitra, omaly. Nisy ny hafatrafatra napetrany tamin’izany.

“Manana tambe­rin’andraikitra amin’ny vahoaka Malagasy sy ny firenena ny manamboninahitra ary tsy natao hiandany na amin’iza na iza. Eo koa ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN) sady minisitry ny Raharaham-bahiny, Rakotonirina Richard, nandritra ny fankalazana ny andron’ny manamboninahitra tao amin’ny Akademia Miara­mila (ACMIL) Antsirabe, omaly. Toy ny fanaon’ireo mpianatra ho manamboninahitra nandalo tao amin’ny ACMIL, misy hatrany ny fankalazana ny fetin’ny 12 janoary ka ny mpianatra ho ma­namboninahitra zandriny in­drindra no mandray ny fibaikoana ireo zokiny, araka ny fomba mahazatra amin’io daty io. Nosantarina tamin’ny fo­toam-pivavahana nitondrana am-bavaka ireo mpianatra ho manamboninahitra sy ireo mpampiofana ao amin’ny se­koly izany, narahin’ny fananganan-tsaina nataon’ny MDN sy ny kaomandin’ny Akade­mia Miaramila, ny Jly Pikulas Démosthène, teo ambany fi­baikoan’ny mpianatra zandriny ao amin’ny sekoly. Nisy ny lalao sy hazakazaka ara-pirahalahiana notarihin’ny MDN ho fanamafisana orina hatrany ny firaisankina ao amin’ny sekoly. Nisy ny fampisehoana traikefa tamin’ny alalan’ny tifitra (tir de précision) notarihin’ny MDN teo amin’ny toerana fianarana mitifitra ao amin’ny sekoly. Teo koa ny fampisehoana fahaiza-manao (Commando) nataon’ireo mpio­fana ao amin’ny andiany faha 44 ka nampiaiky ny minisitry ny Fiarovam-pirenena fa tena manamboninahitra mendrika ho an’ny Tanindrazana tokoa izy ireo. Marihina moa fa manerana an’i Madagasikara ny fankalazana ny andron’ny manamboninahitra.

Jean Claude

Partager sur: