Habibiana!

 

Mampihorin-koditra, mampitampim-bava… Tsy inona fa ny tsy fandriampahalemana tato ho ato izay. Vono olona, fanolanana… Efa tena tsy mifaditrovana ny olon-dratsy? Tsy matahotra an’Andriamanitra, tsy mataho-tody… Efa tsy mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy: tsy mihevi-tena ho olona fa biby, tsy mihevitra ny hafa ho olona? Mila handeha ho azy amin’ny sasany ny man­dratra olona sy mandatsaka aina: tsy tahotra, tsy henatra. Tsy hita hotanisaina sy hovisavisaina.
Mbola misy miteny indray ve hoe fahantrana no antony fototra? Na ny fielezan’ny zava-mahadomelina sy ny haitraitram-piainana marolafy, ny fampianaran-diso amin’ ny alalan’ny horontsarimihetsika… Any amin’ny maha olona no voa? Saina, fo, fanahy… Na ny maha izy azy aza tsy fantatra sy tsapan’ny olon-dratsy intsony: mbola olona sa efa lasa biby? Mitady hahazo vahana na efa mahazo vahana ny habibiana amin’izao. Tanora kely maha­vanon-doza, zazakely iharan-doza.
Na ahoana na ahoana, tsy tongatonga ho azy izany rehetra izany. Misy antony fositra sy fototra ao. Eo ani­von’ny fianakaviana, fiarahamonina, faritra, firenena… Manjaka loatra ny samy maka ho azy? Tsy misy firy in­tsony ny to teny, fakan-kevitra, fakan-tahaka… Ho aiza ny firenena raha izao, sanatria, no mitohy? Mitady tsy hahataitra fa efa mahazatra ny fisian’ny herisetra, maratra, maty…
Tomponandraikitra avokoa izay manana anjara amin’ ny fanabeazana. Iza avy? Samy mahatsapa tena. Mila fifarimbonana, mafimafy, mitohy, maharitra… Vitan’ny fampiharan-dalàna sy ny fanasaziana ve ny raharaha? Ny maha olona no voa. Ahoana no hanitsiana ny saina, ny fo, ny fanahy? Lehibe izay, maika, fototra… Mila olona hialana amin’ny habibiana. Sao izay, sanatria, no tsy mampandroso?

R. Nd.

Partager sur: