17 andro sisa dia higadona ny fihaonambe an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina, hatao eto Madagasikara. Efa anatin’ny fanomanana tanteraka i Madagasikara, mpampiantrano. Raha ny pitsopitsony mahakasika ny fivoriana, ny fikarakarana ny foto-drafitrasa isan-karazany dia mandeha araka ny tokony ho izy avokoa. Miavaka ny fiaraha-mientan’ny governemanta sy ny mpitondra.
Etsy ankilan’izany anefa, tsy mitsahatra koa ry mpamboly savorovoro, mitady ny fomba mba hahafahana manakana sy manakorontana ireo fihaonambe an-tampony maro. Mahavariana fa miseholany ny hetsi-panoherana hataon’ny solombavambahoaka sasany. Mivadibadika toa lela may amin’ny fanambarana ataony. Tonga hatrany amin’ny fanonganana ny filohan’ny Repoblika, hono?
Mahavariana ilay fisainan’ny Malagasy sasany: milaza ho tia tanindrazana, kanefa, manao izay mifanohitra amin’ity porofom-pitiavana. Tsy mba mirehareha amin’ny laza tsaran’ilay firenena fa mitady hirika hatrany amin’ny fandetehana azy. Tsy mba mikiry hampandroso, amin’ny fampivelarana izay fiaraha-miasa azo atao, fa manao volo mpanoha randrana.
Firenena tokony ho lasa lavitra anefa i Madagasikara, manoloana ny toe-javamisy maneran-tany. Nosy manankarena mihoapampana, eny fa manana hatramin’ny diamondra faran’izay lafovidy aza. Indrisy anefa fa mivarina anatin’ny olam-piarahamonina lavareny. Tsy misy azontsika avadika ho tomponandraikitra amin’izany satria resaka toe-tsaina sy fomba fiaina mivaralila no nitondrana azy.
Diso mpihatsaravelatsihy loatra ny Malagasy amin’ny ankapobeny. Manao valalan’amboa ilay firenena ka ny tompony aza tsy tia. Tsy mahagaga raha ny olona manana zom-pirenena hafa no mahazo vahana sy migoaka ny harembe tsy hita noanoa. Izy ireny indray no sarotiny alohan’ny tompony eto amin’ny tanàna. Mahavita manao sy manangan-javatra rahateo mba hanampiana ny mpiray tanindrazana.
Mila mijoro sy sahy miatrika na manohitra ny kilalaon’ny mpanao politika ny Malagasy milaza fa zanatany iringiriny manoloana izany!
r.r