Nihaona tamin’ireo solontenam-panjakana ao anatin’ny filankevi-pitantanan’ny orinasa ananan’ny fanjakana petra-bola ny praiminisitra Ntsay Christian, omaly, tetsy Anosy. Nisy hafatrafatra nampitainy tamin’izany.
Nambarany fa tokony ho fanoitra lehibe hampandrosoana ny firenena ireo orinasa ireo, ka nanentanany ny rehetra ny hananana fanoloran-tena iombonana amin’ny fitantanana mahomby. Tokony hangarahara ary miompana indrindra amin’ny vokatra andrasana mifanaraka amin’ny vinan’ny filohan’ny Repoblika sy ny Politika ankapoben’ny fanjakana izany, araka ny nambarany. Notsiahiviny ny lalàna sy ny rijan-teny rehetra mifehy ny adidy sy andraikitr’ireo solontenam-panjakana ao anatin’ireny orinasa ireny. “Mitohy manatsara hatrany ny fitantanana ny harem-pirenena ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao, ka hotakina amin’ireo orinasa ireo, amin’ny alalan’ny rijan-teny vaovao, ny famaritana ny mari-pahombiazana”, hoy izy. Anisan’izany ny fanomezana tanjaka eo amin’ny fampandrosoana amin’ny ara-toekarena sy ara-tsosialy, ary eo amin’ny lafiny tontolo iainana. Hofaritan’ny fanjakana hifanaraka amin’izany ny rafitra ara-tetibola ahazoan’ny fanjakana tombony amin’ny petra-bola marobe ananany.
Toekarena lavitry ny kolikoly
Ahafahan’ny vahoaka misitraka mivantana izany eo amin’ny fiainany andavanandro, avy amin’ny alalan’ny tetibolam-panjakana voarafitra izany, araka ny nambarany hatrany. “Ilaina, araka ny fametrahana ny mangarahara amin’ny fanapahan-kevitra sy ny tamberinandraikitr’ireo orinasa, ny solontenam-panjakana, ary ireo minisitera tompon’antoka”, hoy ihany ny Praiminisitra.
Nohamafisiny fa fanamby ny fanorenana toekarena miabo lavitry ny kolikoly sy manatratra ny tanjon’ny fahaiza-mitantana ho amin’ny fahombiazana. Hanajana ny tandrohasina mikendry ny fandrosoan’ny firenena eo amin’ny lafiny toekarena. Nampirisika ireo mpikambana miisa 104 mianadahy nanatrika ny fihaonana ireo ny lehiben’ny governemanta.
Synèse R.