Famatsiam-bola FEC sy FRD : Nahazo fankatoavana avy amin’ny FMI

Nanara-maso ny fanatanterahana ny masontsivana napetraka ny desambra 2024 ny iraky ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Niaraka nanao fanambarana ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fi­tantanam-bola (MEF), ny Ton­to­lo iainana (Medd), ny Ango­vo (MEH), ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) ary ny iraky ny FMI, ny 14 avrily teo. Voalaza fa nahazo ny fankatoavana (Staff Level Agree­ment) avy hatrany ny fanjakana malagasy, ka halefa any amin’ny Filankevi-pitantanan’ny FMI ny antontan-taratasy mirakitra ny tatitra. Kara­zany telo ireo antontan-taratasy ireo, toy ny sehatry ny ango­vo, mahakasika ny solika sy ny orinasa Jirama, izay ha­moahana didim-panjakana mamaritra ny vidin-tsolika mandritra ny enim-bolana ma­naraka. Faharoa, efa eo am-pandrafetana ny Drafi-panarenana ny Jirama. Faha­telo, ny hamoahana didim-panjakana hananganana ny komity iraisan’ny minisitera rehetra momba ny tontolo iainana, tarihin’ny Praiminisitra sy ny didim-panjakana mahakasika ny Mecie.
Nankasitrahin’ny FMI koa ny hamoahana didim-panjakana mahakasika ny « Déposi­taire central », izay fifanarahana eo amin’ny Banky foibe sy ny minisitera MEF. Eo koa ny ezaka ataon’ny BFM mitazona ny sandam-bola, na dia eo aza ny politikan’i Etazonia ara-toekarena, ankehitriny.
Marihina fa efa ho roa taona izao no tsy nisy ity fankatoavana avy hatrany ny fitsirihana nataon’ny FMI teto amintsika ity.

Njaka A.

Partager sur: