Judo-Mada 2025 : Hitiliana izay hiatrika ny CJSOI

Nitohy omaly ary hifarana anio 16 avrily, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja judo. Ny sokajy Minimes sy Seniors no niditra an-tsehatra omaly.

Taorian’ny sokajy vétérans sy ny kata izay nahatontosa ny anjarany ny alatsinainy 14 avrily lasa teo, ny sokajy Seniors sy Minimes indray no niakatra Tatami, omaly 15 avrily, ao anatin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Judo, taona 2025. Tazana tamin’ity fifaninanana ity avokoa ireo sangany, toa an-dry Rasoanaivo Razafy Aina Laura sy Rabesandratana Roumaica Benandro, izay samy nampiseho ny fahaiza-manaony avokoa nandritra ny ady nasehony. Nambaran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny judo, Bruno Said Eric, fa hitiliana izay hiatrika ny CJSOI hatao any Seychelles, ny volana jona izao, ity fifaninanam-pirenena ity. Ny sokajy Cadets no tena voakasik’izany, raha ny nambarany. Miandry ny anarana izay atolotra ny FMJ ny eo anivon’ny minisitera ka 5 lahy sy 5 vavy no kasaina hisolo tena ny Malagasy ho an’ny taranja Judo. Mahakasika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika hatao any Abidjan Côte d’Ivoire kosa, ho an’ny sokajy Seniors, mikasa ny handefa mpikatroka 5 ny federasiona, saingy miankina amin’ny hoenti-manana ihany izany. Tsiahivina, mpikatroka 349 manerana ny Nosy no mandray anjara amin’izao fiadiana ny tompondakan’i Mada­gasikara izao, ka lehilahy ny 200 amin’ireo, raha vehivavy ny 149. Niakatra io isa io raha oharina ny tamin’ny taona lasa. Ny sokajy Cadets sy Juniors no hamarana ny fifaninanana, anio.

Mi.Raz

Partager sur: