Fitandremana hatrany

 

Lalam-piainana tsy maintsy izorana ny fahafatesana. Maromaro anefa tato ho ato ny tranga namoizana ain’olona amin’ny fomba feno habibiana. Betsaka ny tranga tampoka loatra. Maro no niala ny trano hikarama tsy niverina intsony miaraka amin’ny ainy. Tsy vitsy ny niharan’ny ankasomparana sy ny fisotasotana ka niharan’ny vono olona ankitsirano. Mafy dia mafy no iainan’ny fianakaviana izany.
Marina fa efa tora-bato avy any ambony rafahafatesana. Voalahatra hatrany am-pahaterahana ny daty hiantsoan’ny ray mody any aminy. Matetika anefa tsy manaiky ny saina fa efa izay mihitsy no tsy maintsy ho lalan-kizorana. Tsy hifanomezan-tsiny anefa satria ny olona amin’ny samy finoany sy ny fandikany ny lalam-piainany.
Manoloana ny lozam-pifamoivoizana izay miseholany tato ho ato no tiana hifampizarana amin’ity lohahevitra ity, anio. Manao ranolava ny ra latsaka an-tany. Mirarakompana no azo hilazana ny mamoy ny ainy. Tena sompatry ny fiainana ve sa tsy fitandremana tokoa? Matetika aloha dia ity farany hatrany no voalaza fa mitera-doza.
Mampiteny ny moana tokoa ny fitrifatrifanana sy ny tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Ny tena zava-doza, zary ireo fanaovana tsinontsinona no mivadika ho fenitra eny an-dalambe. Manompa sy mibetroka ny mpamily fiara raha misongona avy any an-kavia ny mpitondra moto. Efa zatra ilay lalan-dririnina amin’ilay fidirana tsy izy avy aty an-kavanana. Fahazaran-dratsy mitera-doza.
Ankoatra izany, ity tsy fanajana fitsipika anefa tsy mahavita fikojakojana ny fitaovam-pitaterana ivezivezena akory. Mirimorimo vao mahazo lalana malalaka. Ny hisatra na ny familiana anefa tsy voaara-maso na voamboatra araka ny tokony ho izy. Hany ka ankoatra ny famonoana ny hafa dia mamono tena ihany koa. Mila fitandremana hatrany!

r.r

Partager sur: