Miara-miasa

 

Mahoraka eto an-tanàna ny fahatongavan’ny vahiny marobe eto Madagasikara. Samy somebiseby ny olon-drehetra na ny faly na ny tsy faly. Anisan’ny miteraka ady hevitra sy mampizarazara ny vahoaka malagasy ny fitsidihan’ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron. Misy filohan’ny Repoblika sy filoham-panjakana miisa dimy tonga eto an-tanàna fa dia izy irery ihany no mahabe resaka.
Na izany aza, heni-kaja heni-boninahitra ny fitondram-panjakana malagasy aloha amin’ny fahafehezana ilay mandray vahiny. Tsy mampitsanga-menatra ny zava-drehetra. Tsy misy kianina ny firaisan-tsaina sy firaisam-pon’ireo herivelona rehetra, mitoto mahafotsy sy mahandro mahamasaka. Mandeha araka ny tokony ho izy avokoa ny zava-drehetra.
Na tiana na tsy tiana, mbola mipetraka ho ny Frantsay anefa aloha ny ho mpiara-miombon’antoka voalohany amin’i Madagasikara amin’ny lafiny rehetra. Anisan’izany ny sehatry ny toekarena izay mitady angovo sy hery vaovao, amin’izao fotoana izao. Teboka iray tsy ho azo ihodivirana rahateo ny mahakasika izay satria efa manao fahirano io ny Amerikanina.
Navoitran’ny filoha frantsay rahateo izay, omaly, tamin’ny fihaonany tamin’ireo tanora teny Andafiavaratra, niaraka tamin’ny filohan’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry. Natsidiny tamin’ny resaka nataony, ohatra, ny lavanilina. Iza no tsy mahalala fa ny Amerikanina no tena mpanjifa azy avy aty Madagasikara? Rehefa tsy hanao ny vazaha dia miditra ihany ny vazaha!
Mifamatotra ara-tantara rahateo ny firenena roa tonta ka efa mifamatotra amin’ny fomba tsy maintsy iarahana miasa. “Reny Malala” tokoa va re? Mandratra sofina be izay ho an’ny Malagasy. Saingy, raha ny fizotry ny zava-misy ankehitriny aloha, mbola zaza tsy mahasara-nono. Mbola miankin-doha tanteraka.

r.r

Partager sur: