Fiaraha-miasa amin’i Frantsa : Nifanakalo traikefa ny samy parlemantera

Nifanakalo hevitra sy nifampizara ho fanamafisana ny fiaraha-miasa. Tafiditra amin’ny fihaonana an-tampon’ny COI koa ny fihaonana eo amin’ny samy parlemantera. Anisan’izany ny teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena eny Tsimbazaza, afakomaly. Nandray ireo delegasionin’ny parlemantera frantsay ireo depiote. Nitarika azy ireo ny solombavambahoaka misolo tena an’i Frantsay, monina any ivelan’i Frantsa, i Amelia Lakrafi sy ny loholona, Michel Laugier sady filohan’ny vondrom-pifankatiavana iraisam-pirenena ao amin’ny Antenimierandoholona Frantsa-Madagasikara. Teo koa ny masoivohon’i Frantsa teo aloha, Alain Le Roy. Nandray azy ireo ny filoha lefitry ny Antenimiera­mpirenena, Andriamananoro Augustin. Teo koa ny solombavambahoaka Resampa Haja André, filohan’ny vondrom-pifankatiavana Frantsa-Madagasikara. Niatrika izany ireo solontenan’ny depiote.
Samy naneho ny fahavononany ny andaniny sy ankilany ny hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Nisongadina tamin’izany fa anisan’ny mpiara-miombon’antoka voalohany eto Madagasikara ry zareo frantsay ary eo amin’ny sehatra maro izany. Efa nijoro ihany koa ny vondrom-pifankatiavan’ny parlemantera France-Madagasikara. Natao izany ahafahan’ny roa tonta mampiroborobo ny fifandraisana sy mifampizara traikefa ary manatevina ny fiaraha-miasa amin’ny ankapobeny.

Synèse R.

Partager sur: