Vita izay ny fivoriana isan-karazany, nandraisana vahiny. Nilamina tokoa ny tanàna tao anatin’ny andro vitsy. Nadio ara-bakiteny sy ara-keviny ny teto an-drenivohitra. Voafehy ny fitandroana ny filaminana teto am-povoan-tanàna sy ny manodidina. Tsy nandrenesam-baovao na nahitana ranty mahakasika ny asan-jiolahy ny fitaovana fampitam-baovao sy ny tambajotran-tserasera.
Nandalo dia nisera anefa izany, tsy nadingana ny faran’ny herinandreo dia mirongatra indray ny habibiana tsy roa aman-tany. Taiza no misy zaza voaolana sy novonoina amin’ny atoandrobenanahary izany teto an-drenivohitra? Zaza vao nirava nianatra, manomana fanadinanan bakalorea no novonoina tao an-trano eny 67 Ha. Tena porofoin’ny olon-dratsy fa mahasaky ry zalahy.
Efa fihantsiana ny fitondram-panjakana ankitsirano ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Tsy misy fotoana, tsy misafidy toerana fa izay ahafahana manao ratsy efa indreny ry tontakely sy tsivalahara. Tsy vitan’ny mangalatra na mandroba fa mahavita mamono sy mandatsaka aina tokoa. Tsy mifidy lasibatra fa izay tiana ho vonoina, efa tapitra andro tsy fidiny.
Mampiaiky volagna ny zava-misy raha ny momba ny resaka tsy fandriampahalemana no resahina eto Madagasikara. Tsy ny eto an-drenivohitra ihany fa mipaka any ambany ravinahitra rehetra any ny fanaovana tsinontsinona ny vahoaka madinika. Tena atody miady amam-bato tokoa. Tsy vitan’izay fa maro ny olona natao an’irina indray no mampivandravandra.
Mila mijery akaiky ny fivoaran’ireo trangam-piarahamonina mifangaro fahavetavetana sy fandatsahan-dra ny mpitandro filaminana. Tsy tokony ho vitavita mora fa ho isan’ ny laharam-pahamehana ny fanolanana sy famonoana ny tovovavy sy ny ankizivavy ankehitriny. Na inona antony tsy azo ekena aloha ny mety ho endrika tsindry satria tsy tokony ho leferina ny toetran’olona mifanahim-bibidia.
r.r