Maimaimpoana ny fisitrahana vaksiny maneran-tany. Manome toky fa handray andraikitra hahazoan’ny zaza rehetra izany ny fanjakana. Mbola miankina amin’ny Gavi, Alliance pour les vaccins et la vaccination, ahitana ny OMS, ny Banky iraisam-pirenena ary ny Unicef anefa ny 89% amin’ny fividianana vaksiny. Raha an’ny fanjakana malagasy kosa ny 11%, ho an’ny vaksiny vaovao.
Natokana ho Herinandro afrikanina ho an’ny fanaovam-baksiny ny nanomboka ny zoma 25 avrily lasa teo. Tanjona ny hanamafisana ny fanatanterahana “Vaccin de routine”, fanao mahazatra ho an’ny ankizy latsaky ny 2 taona, atao eny amin’ny CBS sy ny tobim-pahasalamana rehetra. Niova ny fomba nanamarihina izany tamin’ity taona ity. Nidina ifotony ny tomponandraikitra nanentana ny ray aman-dreny hampanao vaksiny ny zanany. Mbola maro ny ankizy tsy nisitraka fatram-baksiny mihitsy, raha ny tatitra. Nahatratra 250 miliara Ar ny vola nampiasaina nividianana vaksiny tao anatin’ny enin-taona, satria laharam-pahamehana ho an’ny fanjakana ny fahasalaman’ny vahoaka, indrindra ny ankizy.
Tsy hisy fiantraikany goavana amin’ny fividianana vaksiny ny fialan’ny mpanohana ara-bola sasany. I Madagasikara rahateo mahavita hatrany ny andraikiny amin’ny fividianana ireo vaksiny mahazatra (BCG, polio atete ao am-bava, VAR…). “Mbola tsy feno ny sora-bola amin’ny famatsiana ho an’ity taona ity ary fantatry ny fanjakana izany toe-javatra izany. Efa nanome toky ny mpitantana ny firenena fa hijery ny fomba hampiakarana ny sora-bola ao anatin’ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana taona 2026”, hoy ny tomponandraikitry ny Gavi, Anaïs Colombini, teny Tsimbazaza, tamin’ity herinandro ity. Mitentina 4 tapitrisa dolara ny sora-bola ilaina hividianana izany ho an’ny taona 2025, efa vonona ny 3 tapitrisa dolara ka manantena ny fanjakana izy ireo amin’ny alalan’ny solombavambahoaka izay handany ny volavolan-dalana mahakasika ny tetibolam-panjakana 2026 hampiakatra ny tetibola ho an’ny Fahasalamana.
Mila ampitomboina ny fandraisana anjara
Nisy ny fihaonana teo amin’ny Gavi, mpiray ombon’antoka voalohany amin’ny fanampiana amin’ny fividianana vaksiny eto amintsika, sy ny solombavambahoaka. Hisoro amin’ny fivoriana ara-potoana voalohany ny Antenimierampirenena amin’ny herinandro ka hanao adisisika amin’ny fanjakana ireo solombavambahoaka amin’ny tokony hampitomboana ny fandraisana anjara amin’izany fividinana vaksiny izany. 11% amin’ny sora-bola no raisin’ny fanjakana malagasy an-tanana fa ny 89% kosa mbola miankina tanteraka amin’ny mpamatsy vola hafa. Firenena afrikanina 16 no mbola miankina amin’ny Gavi amin’ny fividianana vaksiny. Anisan’ny fihaonana tany Istanbul farany teo ny fahatsapan’ireo firenena afrikanina ireo fa tokony hahaleo tena izy ireo fa tsy hiantehitra amin’ny mpanohana ivelany. Misy koa ny fiaraha-miasan’ny depiote sy ny firaisamonimpirenena hijerena manokana ny fomba ahazoana famatsiam-bola hafa hividianana vaksiny. “Lalana iray ny fiaraha-mientana amin’ireo vehivavy ben’ny Tanàna handray anjara amin’ny fividianana vaksiny”, hoy ny filohan’ny Vaomieran’ny fahasalamana sy ny fandrindram-piterahana eo anivon’ny Antenimieramperenena, ny dokotera Rajaobelina Lova