Nandray atrikasa momba ny fanabeazana ho an’ny fiainana mirindra ny tao amin’ny Lovasoa 4C, Antsirabe, ny herinandro lasa teo. Nampiarahina tamin’izany ny fampianarana ny fananahana eny an-tsekoly.
Niompana tamin’ny fanabeazana feno ara-pananahana sy ny fanabeazana ho an’ny fiainana mirindra ny atrikasa notanterahina tany Antsirabe. Tanjon’ ny mpikarakara ny hanatsarana ny fitaovana sy ny antontan-kevitra ahafahan’ireo mpanabe isan-tsokajiny mampita sy mitaiza ny zaza, ny ankizy, ny zatovo sy ny tanora mpianatra. Manomboka amin’ ny garabola ny fanabeazana ka hatrany amin’ny fahazoana ny diplaoma bakalorea. Ny hananan’ireo mpisitraka toetra sy fihetsika hiatrehany ny hoavy mamiratra amin’ny alalan’ny fampiharana ny fandaharanasa no atao eny anivon’ny sekoly.
Ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena no nitarika ny atrikasa. Fiaraha-miasa tamin’ny Vaomieram-pirenena malagasy ho an’ny Unesco izay namatsy ny vola tamin’ny alalan’ny tetikasa telo : Ny zontsika, ny fiainantsika, ary ny ho avintsika.
Nisy ampahany tamin’ny fandaharam-potoana niarahana tamin’ny minisiteran’ny Fampianarana sy ny fampiofanana arakasa. Ho fanamafisana ny fitovian’ny fomba fijery sy ny tanjona iraisana eo amin’ny fitaizana ny tanora eny amin’ny lycée izany.
Solontenan’ny mpanabe miisa 145, avy amin’ireo foibem-pitondram-paritry ny minisitera roa voakasika eto Madagasikara no nandray anjara tamin’ny atrikasa. Ny 96 avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nanatrika ny fivoriana ny mpanabe avy ao amin’ny minisitera foibe. Nandray anjara ihany koa ny avy any amin’ny Cisco sy CRINFP ifotony.
Hisy ny fanofanana ireo mpanabe isan-tsokajiny ho an’ny faritra tsirairay, Menabe, Vakinankaratra, Haute Matsiatra, Vatovavy aorian’ny atrikasa.
Vonjy




