Toetry ny andro : Misy ny fampitandremana momba ny alondrano

Manomboka mitoetra any amin’ny morontsiraka atsimo andrefana ny alondrano ateraky ny tsioka atimo. Tombanana hiitatra miandalana any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana sy atsimo atsinanana ary ny afovoany atsinanana izany. Hahery ny ranomasina amin’ny ankapobeny. Tomba­nana ho 3m ny haavon’ny onja, ny eo anelanelan’i Besalampy sy Mo­rombe, ny eo anelanelan’i Taolagnaro sy Toamasina. Hah­atratra 4m kosa ny eo anelanelan’i Morombe sy Tao­lagnaro. Nanomboka omaly hatramin’ny rahampitso ny eo anelanelan’i Besalampy sy Taolagnaro. Tombanana hiitatra hatramin’ny alarobia kosa ny eo anelanelan’i Taolagnaro sy Vohipeno. Manomboka anio vao maraina ny eo anelanelan’i Vohipeno sy Mahanoro. Hiitatra hatrany amin’ny morontsirak’i Toamasina izany, anio alina. Tombanana hihena kosa ny alondrano amin’ ireo morontsirak’ireo ny alarobia ho avy izao. Nandefa fampitandremana miloko mena ho an’ny morontsiraka eo anelanelan’i Besalampy sy Vohipeno sy fampitandremana miloko mavo manomboka eo Vohipeno hatrany Maha­noro ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Misy fampitandremana miloko maitso kosa manomboka eo Mahanoro hatrany Toamasina.

Vonjy

Partager sur: