Oniversiten’i Toliara : Hangarahara ny fampidirana mpiasa

Nandritra ny fandalovan’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Pr Chaminah Loulla, tao amin’ny oniversiten’i To­liara, ny herinandro lasa teo, nandray ireo toko telo ny te­nany. Ahitana ny mpianatra, mpampianatra ary mpan­draharaha izany, ahafahana manatsara ny tontolon’ny fampianarana ambony any an-toerana.
Namaly ny fanontanian’izy ireo ny minisitra ary nanamafy fa hiezaka hatrany ny fitondram-panjakana mitondra vahaolana araka ny laharam-pahamehana. Hanatsara ireo fotodrafitrasa ihany koa. Efa mandeha ny fikarakarana ny antotan-taratasy rehetra mila ny fankatoavan’ny minisitra. Anisan’izany ny mahakasika ny fampidirana mpandraha­raha sy mpampianatra, ny fanomezana izany araka ny filan’ny oniversite tsirairay.
Taorian’ireo fihaonana rehetra, nandray ireo mpampianatra an-tselika na « vacataires » ny minisitra. Nano­trona azy, nandritra izany, ny Tale misahana ny maha olona eo anivon’ny minisitera, i Lahady Victor, ny Tale misa­hana ny lalàna, Rakotondra­zaka Tina José, ny filohan’ny oniversiten’i Toliara, Dr Veriza Roberto Francis.
Nanao hetsika fitakiana vatsim-pianarana sy ny famahana ny olana momba ny fahatapahan-jiro lavareny teny anivon’ny oniversite ny mpianatra tany Maninday Toliara, ny volana avrily lasa teo, ary efa nitondra vahaolana ny fanjakana.

Vonjy

Partager sur: