Fomba fiaina tena mamorika ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao ny fizahozahoana sy ny fanaovana kely tsy mba mamindro. Tsy mifidy sata na saranga fa dia samy manampatra ny heriny raha vantany vao mahita hirika hamelezana. Tena mampalahelo ny toe-javamisy. Mirehareha ny tompon’ny hery, voambaka ny manam-panahy.
Very tanteraka ny fifanajana anatin’ny fahaiza-miaina. Asa? Efa entin’ilay fiainana mivaralila hatramin’ny fisainana ka tsy mahabaiko intsony ny atidoha. Misambadidaka izay hatao. Fahafinaretana ho an’ny daholobe ny manao fitsaram-bahoaka. Samy mahita faisana ny vatana sy ny moraly ary ny atifanahy. Toa fakana fahafinaretana ny mampizaka hazo fijaliana izay tiana ho lasibatra.
Tokony hojerena akaiky ny mahakasika izay. Tsy ny olan’ny fandriampahalemana sy ny filaminana ihany no mila vahana. Tokony ho vaindohan-draharaha ny fitoniana anaty sy ny antoka fa mba hiaina am-pilaminana ny olon-drehetra. Amin’izao fotoana izao, asa fampihorohoroana zakain’ny besinimaro ny fampijaliana ny atifanahy, mivantana na ankolaka.
Tian-dRamalagasy ny mahita ny mpifanolobodirindrina aminy mijafajafan’ny fiainana. Ahazoany fahafaham-po ny mihanihany ny fahavoazan’ny mpiray tanàna aminy. Tsy mampitsetra azy akory ny fahalemena sy fijalian’ilay lazainy fa namana. Mainka aza mahavelombolo azy ireo “resy”. Sitrany ahay, hataon’izy ireny ho fanalana hamohamo.
Anisan’ny tena ahitana taratra izay ny andavanandrom-piainana. Mainka mampanahy be koa ny fikirakirana ny tambajotran-tserasera. Sady mpanao famotorana, no mpitsara mpamoaka didy. Ny aza mba voany ihany! Rehefa misy ny hirika hanamparan’ny mpanaraka ny haratsiam-panahiny dia avy izy ireo amin’ny angady sy ny harona. Tena mivaha ilay fiaraha-monina.
Voapoizina ny tontolo manodidina ny tsirairay saingy tsy natao hahavery ny fanantenana izany. Mbola misy ny farany!
r.r